Miditra amin’ny volana novambra isika ankehitriny. Hanomboka hanakoako manerana ny haino aman-jery samihafa toy ny mahazatra isan-taona indray manomboka eto ny “Avia ry mino” sy ny “Gloria in exelsis” …
ho mariky ny fiombonana amin’ny fahatsiarovana ny nahaterahan’ilay Mpamonjy. Eto koa mazàna no manomboka hialokaloka amin’ny fisian’izany fety izany, izay hiandrandran’ny maro fiainana tsara sy vaovao tsy mitovy amin’izay niainana nandritra ny taona, ny mpanao politika malagasy ka hanomboka hiantsoantso ny antsoina hoe “trêve politique” na fitoniana tsy hiresadresahana politika mandritra izay fankalazana ny fetin’ny krismasy izay.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.