Tsy azo iadian-kevitra, fa ny mpanao politika no tena mpamotika ity firenentsika ity. Ny vahoaka etsy andaniny, toa nohabadoina sy nampahantraina hatrany, ka tsy mahalala izay tokony hataony intsony.
Simba ny soatoavina sy ny toe-tsaina, ka samy manao izay saim-patany sy sarotra entina. Hararaotin’ny mpanao politika izany ka hatramin’izao aloha, dia ny politikan’ny seza no tena ady eo. Ny hahazo fahefana ao hanao izay hihinana no tena tanjon’ny ankamaroany. Tsy dia mbola misy rahateo eto amintsika ny famolavolana olona ho lasa mpitantana na mpitondra firenena, fa toa mandeha amin’ny kisendrasendra aza indraindray, raha toa ka tsy tongatonga ho azy izany any amin’ny firenena mandroso, fa misy antanan-tohatra maro lalovan’ny olona iray vao tonga eo amin’izay toerana maha mpitondra izay. Tsy vonona tena hihavana sy hiara-hikatsaka ny soa hiombonana ny mpanao politika amin’ny ankapobeny. Ny matanjaka mihevitra fa tsy maintsy izy foana no ilaina, ary miezaka mampiseho fa mafy sy matanjaka tsy azo atao na inona na inona. Ireo madinika mitabataba etsy sy eroa, miandry tataka fotsiny mba hahazo toerana. Zara aza indraindray misy savorovoro sy krizy, ka mipi-kelika ery ny sasany hijapy masinina manantena fizarana seza rehefa mandeha ny fifandaminana. Betsaka izay atrikasa sy fikaonan-doha natao izay nanomboka 2009 fa tsy mety hita ilay fitoniana. Nisy ireny ny tondrozotra ny taona 2010, saingy niniana tsy norarahiana. Nandeha ny fampihavanan’ny FFKM ny taona 2014, fa ny teo ihany no teo. Asa ato ho ato raha mba hisy ihany ny fiovana, fa toa karazana revolisionina kely ihany, ohatra, io ataon’ny vondrona politika lehibe roa nifamotika teo aloha, ary mifanantona ankehitriny io. Mba ahoana ny hafa?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.