Mpanao politika jamban’ny vola

Anisan’ny isatra ho an’ny fampandrosoana


  • Talata 28 Janoary 2025

Fiteny moa ny hoe ny alika jamban’ny taolana fa ny olona jamban’ny vola. Tena izany tokoa ve?

Raha ny fanehoan-kevitra marolafy hatramin’izay, raha ny lafiny fitantanana ny firenena no jerena, dia isan’ny isatra ho an’ny fampandrosoana ny mpanao politika jamban’ny vola, izany hoe, manana fitiavam-bola tafahoatra. Malaza ankehitriny ny resaka fifanarahana ambadika ifanaovan’ny mpanao politika milaza azy ireo ho mpifanandrina na ilay antsoina mahazatra hoe «deal». Sarotra ny tsy hino hoe vola sy tombontsoa manokana no tena fototr’izany. Niharihary tao anatin’ny fitondràna Rajaonarimampianina ny fisian’ny antsoina hoe malety, izay volabe tsy fantam-pihaviana notsinjaraina tamin’ireo depiote teny amin’ny antenimieram-pirenena teny Tsimbazaza teny. Tsy mbola lefy hatramin’izao izany fa isaky ny misy fanapahan-kevitra ho raisina eny anivon’ity lazaina fa lapan’ny demokrasia ity na lalàna goavana ho laniana dia heno hatrany izay voambolana hoe malety izay. Tsy ireo mpanao politika anaty fitondràna ihany moa no ahenoina izay resa-bola izay fa na tamin’ireny fifidianana filoham-pirenena 2023 ireny koa aza dia voalaza fa nisy izay fifanarahana miafina nifanaovan’ireo kandida miisa 11 tamin’ny kandidà lany ho filoham-pirenena ankehitriny, izay efa niely maneran-tany fa kandidà efa tsy malagasy intsony fa niofo ho frantsay. Lojika tokoa ve, raha izay no azo amehezana azy, ny fisiana fifanandrinana politika naharitra 16 taona izany tsotra izao fotsiny nefa ilay firenena ankehitriny efa lasa farany mahantra indrindra eto ambonin’ny tany?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT