Notohizana teto Antananarivo ny hetsika fanamarihana ny faha 38 taonan’ny Kung Fu Wisa ny alahady teo ka hazakazaka rodobe teny Anosy sy Ampefiloha no nanatanterahana izany.
Mpanao kung fu 5000 notarihan’ny Grand Maitre Avoko sy ny federasionin’ny kung fu eto Madagasikara no nandray anjara tamin’ity hetsika ity, izay narahana fampisehoaa hakingana sy fahaiza-miady moa.Mbola nanamafy hatrany ny mpanao Kung fu fa tsy azo ekena ny fambolena korontana ka hampidirana an’i Madagasikara ao anatina krizy vaovao indray.Tokony samy hanaja ny lalàna ny olon-drehetra mba hahatanterahan’ny fifidianana soamantsara, hoy izy ireo.Mety aminay hoy ny Grand Maitre Avoko ny mbola maha kandida ny filoha am-perinasa ary hanolotra ny heriny manontolo ny mpanao Kung fu mba hampandaniana azy.Ankoatr’izay moa dia nisy ny fijoroana vavolombelona nataon’Atoa Randria izay tapa-tanana noho ny fipoahana grenady nytaona 1985.Vavolombelon’ny tantara ka nozaraina tamin’ireo zandry sy zanaka amin’izao fotoana satria ny tantara tsy fanadino.Raha ny tatitra nataon’ny filohan’ny federasionina dia tsy mitsaha-mitombo ny mpiangaly ity Haiady ity manerana ny nosy, eny fan a dia hatrany amin’ireo toerana azo atao aza hoe tena saro-dalana.Manolo-tanana hatrany ny mpitandro filaminana ihany koa amin’ny ady amin’ny asan-dahalo ny mpanao kung fu.Ny faritr’Itasy indray no fantatra fa hanatanterahana hetsika lehibe amin’ny volana mey.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.