Politique

Mpamafy lainga, tsy mahatoky valera !


  • Alatsinainy 09 Aprily 2018

Nihazakazaka ny vahiny nanampy, nitobaka ny vola, nitety vazantany ny filoha tamin’ny fiantsoana ireo mpiara-miombona,…

ireo no ampahana fandresen-dahatra ao anatin’ny horonantsain’ny vina fisandratana an’ny Filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina. Natao tsara resaka ny fikaonan-doha tamin’ny mpamatsy vola tany Parisy Frantsa ny volana desambra 2016, izay nambara fa nahazoana volabe 10 miliara dolara. Dia tena lainga marivo tototra na koa ny mpanara-baovao angamba no tsy nahalala satria raha ny fantatra aloha, dia na hiviny kely aza tsy nisy. Tsy atokisana ny mpitondra noho ny kolikoly, ka nijanona ho fampanantenana izany, kanefa dia lainga no hoenti-mamoky ny vahoaka fa tsara resaka sy mamin’ny sehatra iraisam-pirenena ny fitondrana, ary mitobaka ny vola. Ventesina fa tsy nitsahatra ny nitady vahaolana ny filoha nanoloana ny loza voajanahary. Nisy tokoa ny fanampiana an-tapitrisany Euros maro, saingy mba nisy ve ny tena fangaraharahana tao anatin’ny fitantanana ireny ? Ekena fa niezaka tokoa angamba ny filoha, ary tsy azo lazaina mihitsy hoe tsy nanao, saingy rehefa atao kosa ny tombana, dia miiba amin’ny lafiny maro. Miezaka mandresy lahatra ny Malagasy amin’ny fomba rehetra eny fa na handainga sy hamahan-dalitra aza satria mamy ny seza, mangidy izany ho very fihinana, ka miezaka manabado vahoaka. Tsy vitan’izay fa mbola mitady làlana ambanin’ny tany hamotehana ny mpifanandrina atahorana. Tsotra kely io hoe: raha tena mahatsapa fa nahavita nanasoa tanindrazana tamin’ny fomba madio, tsara tantana ny firenena, nilamina ny tany, voajery ny sosialim-bahoaka,… tsy mila propagandy be mialohan’ny fotoana na fisomparana ny hafa tsy hirotsaka. Miandry fifidianana dia haverin’ny vahoaka mora foana eo, raha tena nahavita azy e!

Toky R

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT