Nihaona tamin’ny mpanao gazety teny amin’ny foiben-toeran’ny antoko AVANA eny Ambohimiandra ireo mpahay lalàna avy amin’ny movansy Ravalomanana nahitana an’i Me Hanitra Razafimanantsoa sy Me Andriamadison Hasina androany zoma 27 desambra, nitondran’izy ireo fanazavana momba ny filazan’ny filohan’ny CES fa izay voka-pifidianana avy amin’ny CENI-T no hamafisiny.
Tsy fiteny izany ary tsy fanao hoy ireto mpisolovava sady mpahay lalàna ireto satria ny CES dia Fitsarana manokana, tsy miankina amin’ny CENI-T ka ny vokatra avy any amin’ny CENI-T tsy voatery ho an’ny CES. Efa nisy hoy ireto mpahay lalàna ireto ny fangatahana nalefan’ny movansy Ravalomanana sy ny AVANA tany amin’ny CENI-T hampiatoana ny fanisam-bato satria misafotofoto be ary fangatahana ny hanaovana fanamarinana mba hampangarahara ireo bileta nampiasaina. Maro mantsy hoy izy ireo ny bileta tany amin’ny faritra tsy nisy nomerao na efa vita marika mialoha, maro ihany koa ireo karne izay banga ny bileta tokana tao aminy na koa karne nanjavona fotsiny izao. Nisy koa delege tsy nanaraka ny toromarika nomen’ny CENI-T tamin’ny famenoana ny taratasim-pifidianana na PV. Noho izany dia fanontaniana no napetrak’izy ireo hoe nankaiza ireo bileta tokana ireo? Efa nisy ny olona nijoro vavolombelona hoy ny fanazavana fa nisy olona iray nitondra dika mitovy ny bileta tokana tamin’ny biraom-pifidianana iray ka io no nentina niditra tany amin’ny fandatsaham-bato ary ilay tena izy no nentina nivoaka taty ivelany ka nomena olona hafa natakalo vola. Tsy anjaran’ny filohan’ny CES ny manakorontana ny sain’ny olona hoe izay voka-pifidianana avoakan’ny CENI-T no hamafisiny. Mifono zavatra maro izany teny izany, hoy ireto mpisolovava ireto.
Valinteny boribory
Mikasika ilay didim-panjakana milaza fa afaka manatrika fampielezan-kevitra ny mpitondra dia nambaran’izy ireo fa ny 04 desambra no efa tany amin’ny CENI-T sy CES ny fangatahana fanafoanana io didim-panjakana io izay nataon’ny movansy Ravalomanana. Fantatry ny CES fa tsy ara-dalàna ary mifanipaka amin’ny zava-misy io didim-panjakana io ary manitsakitsaka ny tondrozotra sy ny lalàmpanorenana. Noho izany hoy ireto mpahay lalàna ireto dia tsy misy dikany ny zavatra natao tamin’io didim-panjakana io ary foana toy ny tsy misy ary enjehin’ny lalàna. Araka izany dia fanitsakitsahana lalàna no nisy nandritra ny fampielezan-kevitra indrindra ny nataon’ny filohan’ny tetezamita Andry Rajoelina, nanomboka tamin’ny nilazany tao amin’ny gazety frantsay «Le Monde», fa manohana an’i Hery Rajaonarimampianina izy. Nomarihin’izy ireo fa tsy mbola namaly an-tsoratra ny fangatahana izay nataon’ny movansy Ravalomanana ny CENI-T hatramin’izao fa valinteny boribory tamin’ny haino aman-jery no nataony. Nilaza ihany koa ireto mpahay lalàna ireto fa efa eo am-panangonana ireo porofo rehetra izy ireo amin’izao fotoana izao ka ho entina eny amin’ny CES izany. Noho izany dia manao antso avo ho an’ireo olona rehetra nahita hosoka tamin’iny fifidianana iny izy ireo mba hiara-hiasa.
Nangonin’i JD
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.