Mouvement vonjeo i Gasikara*

«Jereo ny fisian'ny Rafitra ifotony fikaonan-doha!»


  • Zoma 24 Janoary 2025

Tahian'i Zanahary ianareo ben'ny tanàna rehetra vao voafidy tamin'ny fifidianana kaominaly sy mpanolontsain'ny

tanàna, hoy ny filohan’ny antoko politika GAR na Gasikara antsika rehetra, izay sady mitarika ny hetsika MVG na Mouvement vonjeo i Gasikara, Alain Mahavimbina. Miarahaba anareo ny MVG, hoy izy. Vita hatreo ny politika politisianina. Politikam-pampandrosoana izao no tokony imasoanareo. Tokony avy hatrany, samy mijery ny fomba mahomby ahatongavana amin'ny fanatanterahana ny fampanantenana natao tamin'ny vahoaka nandritra ny fampihelezankevitra ny tsirairay. Resaka tanàna iaraha-manana no manomboka eto. Jereo ny fisian'ny Rafitra ifotony fikaonan-doha na R I F izay lazain'ny didim-pitondràna 2015-957! Manampy anareo sy aro fandrika miaro anareo ny fahombiazan'io rafitra io amin'ny fitantanana ny tanàna. Mankahery sy mirary fahombiazana hoanareo ny M V G. Eto am-pamaranana dia tiako ny mitondra fiarahabana manokana hoan’ny rahalahy zokibe ben’ny tanànan’Antsiranana tamin'ny nametrahan’ny vahoakan'Antsiranana fitokisana indray ny hitarihany ny fampandrosoana miaraka amin'ny vahoaka. Maro no lesona azo tsoahina, izay nofaritan'ny fahendren'ny Ntaolo amin'ilay ohabolana hoe : "Toko tapaka, vilany mitongilana, izay tsy nety dia harenina miaraka ho fampandrosoana ny tanàna. Masina ity tanindrazantsika ity ka izay manimba azy ho vonoin'ny tsiny tsy tia ratsy. Ho samy tahian'ilay nahary ka hampian'ny razana sy ireo hasin-tany ary ireo fadin-tany, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT