Politique

Moto” ho an’ny ben’ny tanàna Tsy mahazo izay tsy miloko politika « orange » ?


  • Talata 25 Jolay 2023

Mitohy ny fizarana « moto » ataon’ny Fanjakana Rajoelina. Ireo ben’ny tanàna ao amin’ny Distrikan’i Betioky Atsimo

no voalaza fa hanaovana fizarana anio talata 25 jolay 2023, any amin’ny distrika naha voafidy ny solombavambahoaka Rabenirina Jean Jacques ny Fanjakana. Minisitra vehivavy avy ao anatin’ny governemanta no voalaza fa hanao sy hitarika an’io. Raha ny fanamarihana, ben’ny tanàna 19 amin’ny 30 ihany no voalaza fa hahazo an’io. Tsy miadra-dia amin’ny fitondrana mantsy ny 11 fa miaraka amin’ny depiote Rabenirina sy ny Mihava Tour tarihin’I Siteny Randrianasoloniaiko . Ireo tsy miaraka amin’ny fitondrana dia tsy mahazo, raha raisina amin’io. Ankazombalala, Ambatry Mitsinjo, Bezaha, Belamoty, Tanambao H’aut, Andranomangatsiaka, Ankilivalo, Lazarivo, Beora, Tameantsoa, ary Antsavoa moa ireo kaominina voalaza hatreto fa tsy hahazo. Mampametra-panontaniana noho izany, raha tena izay tokoa no hitondrana azy hoe: avy amin’ny antoko sa avy amin’ny fitondram-panjakana ireo motos? Volam-panjakana ve sa volan’ny antoko volomboasary no nividianana izany ? Tena voafaritra ao anatin’ny tetibolam-panjakana sa vola avy aiza marina? Inona no tambin’ny fanomezana izany? Lazaina mantsy fa hanamorana ny asan’ny ben’ny tanàna, kanefa ny taom-piasan’ireo aza efa ho tapitra. Tsy tongatonga ho azy, fa kajy ara-pifidianana ka asa na hahomby tokoa izany na tsia fa efa nanao tahaka an’io ny HVM tamin’ny 2018 saingy niaraha-nahita ny vokatra ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT