Politique

Mosa Tahiry “Ny FAT no mampikatso ny famahana ny krizy”


  • Alarobia 28 Septambra 2011

Nahitsy ny tenin’ny senatera teo aloha, Mosa Tahiry, mpikambana sady manetsiketsika ny antoko Tiako I Madagasikara ao Tolagnaro, raha nanao valandresaka ho an’ny mpanao gazety, tao amin’ny trano fonenany ao Bazaribe Tolagnaro, nanambarany ny heviny mikasika ny toe-draharaham-pirenena ankapobeny eto Madagasikara.

 Raha mbola sakanana ny fiverenan’ny filoha Marc Ravalomanana eto an-tanindrazana, hoy izy, dia tsy hivaha mihitsy ny olana. Mazava ny voalazan’ny tondrozotra ao amin’ny andininy faha-20, hoy i Mosa Tahiry, kanefa dia misy sahy mamadika azy io ho zavatra hafa. Aminy, ny fitondrana FAT no mampikatso ny famahana ny krizy fa tsy ny Ankolafy telo na ny ekipan’ny filoha Marc Ravalomanana. Voasoratra mazava ao amin’ny tondrozotra, hoy izy fa mirodana ny governemanta lazain’ny sasany fa firaisam-pirenena, kanefa mbola sahy miziriziry ireo mpomba ny fitondrana FAT fa io ihany no hatevenina. Maha kely finoana ny hivoahan’ny Malagasy amin’izao krizy mangitsokitsoka izao raha mbola hifanasa vangy ny samy mpanao politika, hoy ity senatera teo aloha ity. Mikasika ny fandraisan’ny filohan’ny FAT fitenenana tany New York, nandritra ny fivoriambe faha-66-n’ny Firenena Mikambana dia milaza i Mosa Tahiry fa tsy midika ho fankatoavana velively fa kosa miendrika fanerena ankolaka na mivantana ny fitondrana sarisariny hanaraka ara-bakiteny ny tondrozotra.

Aminy dia tokony hisy ny fifamelana raha tiana hilamina i Madagasikara. Iza no sahy hilaza fa madio tamin’ity fitondrana tsy ara-dalàna ity ? Nandritra ity fihaonany tamin’ny mpanao gazety ity ihany no nanentanany ny mpikambana Tiako I Madagasikara mba tsy horebireben’ny mpanao politika. Aminy dia tokana ny Tiako I Madagasikara dia izay mpanohana sy mpiara-dia amin’ny filoha Marc Ravalomanana, izay nambarany fa nahavita asa fampandrosoana betsaka tany amin’ny faritra Anôsy. Notsindrian’ity Senatera teo aloha ity hatrany fa miaraka amin’ny filoha Marc Ravalomanana hatramin’ny farany ny tenany.

 

Natiora OTH

 

Sary : Senatera Mosa Tahiry

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT