Morondava

Nodimandry tampoka ny kandidan’ny Firaisankina Mamy Claver


  • Talata 21 Mey 2024

Nodimandry omaly alatsinain’ny paska 20 mey 2024 ny kandida solombavambahoaka laharana faha-3

ao anatin’ny distrikan’i Morondava Atoa Mamy Claver Meryson. Kandida natolotry ny vovonana Firaisankina ny tenany, ary anisan’ny tsara toerana indrindra ho lany, raha ny fanamarihan’ny mponina any an-toerana satria maro ireo olobe sy vondron’olona na fikambanana ary ny vahoaka ao an-damosiny. Tampoka tamin’ireo mpanohana no nandre fa nodimandry tampoka ity kandida ity. Voalaza anefa fa mbola nanao fampielezan-kevitra izy ny takarivan’ny alahady lasa teo. Tsy fantatra mazava moa ny antony nahafaty azy hatramin’ny fotoana nanoratany. Ankoatra ny tontolo politika, dia mpandraharaha ny tenany, efa Filohan’ny Antenimieran’ny Varotra Faritra Menabe ny taona 2008 - 2010. Mirary fiononana feno ho an’ny fianankaviany sy ireo olona akaiky azy manontolo isika eto amin’ny Tia Tanindrazana.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT