Politique

Morondava Namaky barazy ry Siteny


  • Alatsinainy 12 Jona 2023

Tany Morondava, faritra Menabe indray omaly alahady ny Mihava Tour an’i Siteny Randrianasoloniaiko.

Somary nafampana tahaka ny andro ny ambiansy omaly raha ny fampitam-baovao voaray avy any an-toerana satria na dia efa nametraka taratasy fampahafanarana ny fihaonambe hataony aza ny mpikarakara ny Mihava tour ary efa namaly izany ny manampahefana ao an-toerana hoe Hita sy Ekena, dia tonga vao maraina nanakana ny mpitandro filaminana. Nandeha teo ny fifampiresahana sy fifanazavana teo amin’ny mpitarika ny emmoreg sy ireo depioten’ny Mihava Tour.Ny olona amin’io efa manomboka tonga tsikelikely ary efa nitangorona. Tamin’ny 2 tolakandro ny fotoana nifanomezana saingy voatery nahemotra izany noho io tranga fanakanana io…Rehefa tsy nanaiky moa ireo olom-boafidy sy ny vahoaka niaraka taminy dia tsy nahatohitra ny mpitandro filaminana, vaky ny barazy ka afaka namonjy ny toerana niomanana handraisana ny fihaonana ny Mihava Tour. Nifandimbiasana teo ny kabary nifampizarana vaovao sy nihainoana ny hetahetan’ny mponina any an-toerana ary tsy nisalasala nilaza ny marary azy ireo ny mponina .
Nangonin’i RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT