Monja Roindefo Zafitsimivalo

«Lasa tetikasa mitady vola fotsiny no betsaka eto Madagasikara!»


  • Alatsinainy 25 Novambra 2024

Amin’ny maha renivohitr’i Madagasikara an’Antananarivo, hoy ny kandida ho ben’ny tanàna eto Antananarivo

renivohitra, Monja Roindefo Zafitsimivalo, dia manana anjara toerana manokana izy satria itarafan’izao tontolo izao ny fiainan’ny firenena malagasy. Ny mby an-tsain’ny olona avy hatrany, hoy izy, na ho an’ireo mpizahantany io na haino aman-jery iraisampirenena dia hoe Antananarivo no renivohitra maloto indrindra eto ambonin’ny tany. Iarahantsika mahalala fa ny tarehimarika nomen’ny banky iraisampirenena dia firenena faran’ny mahantra eran’izao tontolo izao i Madagasikara ary i Antananarivo raha ampilaharina koa amin’ny renivohitra rehetra eran-tany dia tafiditra anatin’izay filaharana izay. Ahoana ary no hanarenana ny fahantrana eto Antananarivo? Ahoana koa no analàna izay sary ratsy izay? Manana praograma izahay mikasika ny fikirakirana ny fako eto an-drenivohitra. Mahatratra any amin’ny 2000 taonina isan’andro ny fako eto Antananarivo. Raha atao ny kajy tsotsotra anatin’izany dia misy amin’ireo fako ireo no azo sintonina hanaovana zezika ary misy ny azo sintonina hanaovana akora hafa mbola azo ampiasaina avy eo na «recyclage», hoy isika. Azo atao koa ny manodina ny sasany ho lasa «combustible» na fampanjariana angovo sy tontolo iainana. Ho apetraka isaky ny fokontany ny fanodinana izany. Efa vonona koa ny fitaovana amin’izany ary efa natao ny fanandramana miaraka amin’ireo firenena hiara-hiombon’antoka. Na ben’ny tanàna ianao na tsia dia tokony ho afaka mitondra fampandrosoam-pirenena foana! Rehefa tsy manana ampaham-pahefana nefa dia tsy eken’ny olona ny tetikasa entinao. Izay no antony tsy maintsy hirotsahana aloha hidirana anatin’ilay rafitra. Ny resaka fahantrana moa dia miainga amin’ny tena zava-misy ny fampandrosoana maharitra ho entin’ny kandida Monja Roindefo. Ny antony dia betsaka ny tetikasa misy eto Madagasikara, araka ny voalazan’ny kandida Tahina Razafinjoelina hoe nisy ny Secaline, ny Prosperer, ny FID sy ny maro fa rehefa jerena dia inona moa izany no tena fiantraikany amin’ny zava-misy eto Madagasikara? Lasa tetikasa mitady vola fotsiny no betsaka eto Madagasikara! Azo ny vola dia tanterahina ilay tetikasa toy ny hoe misy fanamboarana lakandrano tahaka izao atsy na fanamboarana izao atsy fa moa ve nitondra inona teto amin’ny firenena izany, hoy hatrany ny tenany?
J. Mirija 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT