Monja Roindefo Zafitsimivalo

«Aoka tsy ho disoina sy ho adinoina


  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

intsony ny tantara!»

Ny mpahaitantara rehetra dia miara-miaiky, hoy ny praiminisitra teo aloha sady zanaky ny mpitolona Monja Jaona, Monja Roindefo Zafitsimivalo, fa ny fikambanana miafina Jiny, izay notarihin’ny rainy, no nanetsika ny tolom-panafahana tamin’ny taona 1947. Tonga nahatsiaro ireo mahery fon’ny firenena nahatonga ny tolon’ny 29 martsa 1947 ary nanati-boninkazo nanoloana ny tsangambaton’ny mahery fo tetsy Ambohijatovo moa ity filohan’ny antoko politika Monima ankehitriny ity. Antoko politika izay noforonin’i Monja Jaona ihany koa. Ny olona tompon’antoka rehefa misy ny fahatsiarovana toy izao, hoy i Monja Roindefo, dia tokony ho voahasa hatrany amin’ny lanonana ofisialy. Naneho ny alahelony ny tenany amin’ny maha mpitondra teo aloha azy, fa indrindra, amin’ny maha zanaka mpitolona tamin’ny fotoan’andro ihany koa. Somary adino ihany koa, hoy izy, izany fikambanana Jiny izany rehefa tonga ny fahatsiarovana izao fotoana izao. Ny MDRM izay nanakana ny tolona foana no ankalazaina. Ny fikambanana miafina nanao azy aletika any ambany tany. Misy fiantraikany izay amin’ny tohin’ny fiainam-pirenena aty aoriana satria lasa fomba ny manadino hatrany ny tena mpitolona. Aoka, hoy hatrany ny fanazavàn’ity praiminisitra teo aloha ity, tsy ho disoina sy ho adinoina intsony ny tantara!
Nangonin’i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

  • 14 Oktobra 2026
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Sady Fetin'ny Repoblika

  • Fahatsiarovana ny tolom-bahoaka
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Natokana ho andro

  • Boing nalefa any Iran
  • Talata 22 Septambra 2026

Olona 28 sy orinasa 5

  • Fahombiazan'ny diplaomasia
  • Talata 22 Septambra 2026

Manamafy ny fisiany i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT