Ny olana ara-politika dia tsy maintsy hanaovana dinika ara-politika ary tsy maintsy vahaolana ara-politika no raisina
ao anatiny, hoy ny vovonana mandalina krizy Diovy i Madagasikara. Fanjakàna tsy manam-bola, fanjakàna banky ropitra, fanjakàna mandalo fahasahiranana lalina, hoy ny filohan’izy ireo, Guy Maxime Ralaintseheno, dia mazava loatra fa fanjakàna tsy afaka mandeha lavitra. Vahaolana maika hatrany, hoy izy, amin’izao fotoana izao no entin’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina. Tsy mba misy paika na drafitra na fandaminana sy adihevitra fa manonofy izy dia mamoaka sinibe na «bombonne» 200 isa dia mitondra rano dia manao bizna dia ho vonoina ohatran’ny Madarail ve ny JIRAMA? Izay no mahazatra ny mpitondra malagasy. Vonoina ny orinasam-panjakàna mba mandeha. Io ny Air Madagascar. Fantantsika fa tsy mitraka intsony. Io Madarail, tsy mitraka intsony. Anjaran’ny JIRAMA indray ve izany izao? Ny fitantanana dia natao hitondra herijika ho an’ny isam-batan’olona aloha, voalohany indrindra, dia ny fampandrosoana ny sehatra tsy miankina. Ny fampandrosoana ny fanjakàna, ny olompirenena tsirairay avy. Izany no atao hoe mandroso fa tsy hoe mandroso isika dia mandroso mihemotra. Rehefa manao politika dia manana vina sy praograma dia azo refesina sy tsapain-tanana ny vokatra ao anatin’ny 5 taona. Io izao isika mahita governemanta tsy mahomby tao anatin’ny 7 taona dia mbola eo ihany ilay praiminisitra notendren’ny filohan’ny repoblika hatramin’izany. bizin’olon-tokana izany aminay fa tsy politika. Bizin’olom-bitsy. Tsy manao afa-tsy izay mampatanjaka ny manodidina dia aiza ny vahoaka malagasy izay efa 30 tapitrisa mahery amin’izao isika miteny izao? Mihitsoka ny firenentsika. Tsy misy afa-tsy ny fijoroan’ny olompirenena tsirairay avy satria maro no tsy miteny. Maro ny mangina. Maro ny miteny hoe leo politika. Tsy tokony ho leo politika isika fa mila mitsangana, mila maneho hevitra, mila mandray anjara ao anatin’ny raharaham-pirenena. Isan’ny manamarika ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena ny fifidianana ben’ny tanàna eto Antananarivo. Misy kandida miisa 7 ireo. Anisany izahay na dia tsy nandray anjara tamin’ny fifidianana filohan’ny repoblika sy solombavambahoaka aza. Rehefa nandinika lalina ny mpikambana amin’ny antoko politika maromaro, dia manolotra vahaolana ho an’Antananarivo dia i Monja Roindefo Zafitsimivalo, izay kandida tsy miankina, fa tohanan’ny antoko politika maro. Izahay ilay mpanao politika tsy mba kivy, tsy mba leo fa mahafantatra ny amin’ny hoe amin’ny tondrozotra na lalan-jotra dia tsy maintsy mandalo fotoan-tsarotra amin’ny politika. Tsy maintsy mikaroka vahaolana ho an’ny tombontsoa iombonana dia mitsangana manao izany izahay, hoy hatrany ny Diovy i Madagasikara. Tetsy ankilany dia nanamafy ny kandida Monja Roidefo fa tsy miaraka amin’ny fitondrana ary tsy manana antony hanaovana izany na dia jerena fotsiny aza hoe tsy nahazo avara-patana tamin’io fitondrana io tao anatin’ny 10 taona, hoy izy.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.