Politique

Monja Roindefo : Manoman-tena hiatrika fifidianana


  • Alakamisy 21 Janoary 2010

Nanao tatitry ny diany naharitra hefarana, ny sabotsy 16 ka hatramin’ny talata 19 janoary 2010, tany Thaïlande ny Praiminisitry ny Fahefana Avon’ny Tetezamita teo aloha, Monja Roindefo. Tamin’izany no nilazany fa nisy ny fihaonany tamin’ireo vondrona mpandraharaha mpampiasa vola sy ny filohan’ny antoko matanjaka any Thaïlande ary ny Praiminisitra teo aloha ao amin’ity firenena anisan’ny matanjaka any azia atsimo atsinanana ity.

 

Voaresaka tamin’izany ny fahavononan’ireto mpampiasa vola aziatika ireto hanatsara ka hanome endrika vaovao ny araben’ny fahaleovantena. Misy koa ny tetikasa mahakasika ny miaramila sy ny fianakaviany, ny famokarana angovo, ny fitsaboana… Nambaran’i Monja Roindefo fa ho avy eto Madagasikara ireo mpandraharaha ireo amin’ny volana febroary ho avy io. Milaza ny hihaona amin’ny mpandraharaha Malagasy i Monja Roindefo, hampahafantatra izany vokatry ny diany izany ary koa hanomanana miaraka amin’ny mpandraharaha Malagasy ny fiavian’ireo mpampiasa vola avy any Thaïlande ireo.
Ho an’ny mpandinika politika dia efa fiomanana amin’ny fifidianana ho avy ny an’i Monja Roindefo. Izy rahateo hatreto no hany mpanao politika nanambara ampahibemaso fa hirotsaka hofidiana filoham-pirenena. An-daniny, te haneho eo imason’ny Malagasy ny tenany fa manana tetikasa fampandrosoana ary efa misy ny mpiara-miombon’antoka hiaraka aminy hanatanteraka izany. An-kilany indray dia miendrika hafatra ho an’i Andry Rajoelina ihany ny azy, hilazana fa ankatoavin’ny sehatra iraisam-pirenena izy, vao tsy ela rahateo i Monja Roindefo no nitsidika tany Isarely, ary tsy mampanano sarotra azy ny mikaroka famatsiam-bola hampandrosoana an’i Madagasikara. Ny fitondran-dRajoelina sy ny governemantany anefa mikatso eto, sady tsy mahazo fankatoavana iraisam-pirenena no tsy misy mamatsy vola. Ary mbola te haneho koa i Monja Roindefo fa afaka mandeha irery ka nilaza fa tsy amin’ny eritreriny ny hifanatona amin’ny ankolafy telo Zafy, Ratsiraka ary Ravalomanana. Aminy dia ireo niara-nanao sonia ny satan’ny tetezamita tany Maputo sy Addis Abeba no mila mifanatona, fa izy efa tsy nankato ny hanaovana ny Maputo. Tsy levon’ny vavoniny satria ny nahavitan’ny fanaovan-tsonia tany Maputo sy Addis Abeba no nitarika ny fialany tao Mahazoarivo. Mikasika ireo fiaraha-miasa tamin’ireo mpandraharaha Saodianina indray dia nailik’i Monja Roindefo any amin’i Andry Rajoelina sy Rabetafika, mpikambana ao amin’ny FAT, ny amin’izany. Tsy mpitam-bola ny tenako, hoy izy ka tsy mahalala na voaray tokoa na tsia ny vola tamin’izany. Nisy mantsy ny filazana fa hanolotra vola mitentina iray tapitrisa dolara hanamboarana toeram-pitsaboana ny aretina homamiadana ilay Printsy Saodianina al Waleed raha nandalo teto ny 09 jolay 2009. Talohan’izay dia nisy ireo mpandraharaha saodianina nilaza fa vonona ny hamatsy ireo kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro amin’ny vidiny mora. Tsy nandrenesam-baovao intsony ny amin’ireo mandrak’ity ny anio.
 
Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • POLITIKA sy RAHARAHAM-PIRENENA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Mila mailo ihany ny tanora

  • RAHARAHAM-PIRENENA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Tsy nanao amboletra naka Fitondrana

  • KOLONELY PATRICK
  • Zoma 17 Aprily 2026

Naiditra am-ponja vonjimaika eny Tsiafahy

  • Antananarivo Renivohitra
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Nomena ny TIM ny fitantanana

  • Kolonely RANDRIANIRINA MICHAEL
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Indroa saika hisy hamono

  • FIKAONANDOHA, FANAVAOZANA
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila mafy amin’ny serasera ny fanjakana

Hijery ny tohiny
FTT