Politique

Monja Roindefo Hamory olona eny amin’ny Kianjan’Alarobia


  • Alarobia 05 Oktobra 2011


 Omaly no tonga teto amin’ny trano fanoratana ny fampitam-baovao avy amin’ny mpiandraikitra ny seraseran’i Monja Roindefo fa nametraka fangatahana any amin’ny fiadidiana ny tanànan’Antananarivo Renivohitra sy ny Prefektoran’ny polisy ity praiminisitry ny FAT teo aloha ity, hahafahany manazava amin’ny vahoaka ny sori-dalana. Izy rahateo dia anisan’ireo mpanao sonia ny tondrozotra ny 17 septambra 2011 teo, ka mahatsiaro ho manana andraikitra hitondra fanazavana, manoloana ny fifandroritana sy ny fandikana amin’izay mahamety azy ny voarakitry ny tondrozotra. Amin’ny sabotsy 08 oktobra manomboka amin’ny 10 ora maraina no kasain’i Monja Roindefo hanaovana io hetsika eny amin’ny Kianjan’Alarobia ity. Andrasana moa izany ho valin-tenin-dry zareo ao amin’ny prefektora, izay solontenam-panjakana eto Antananarivo Renivohitra.

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT