Tonga nivantana nanatitra ny taratasy fitarainany tetsy amin’ny CES Ambohidahy omaly antoandro ny kandida Monja Roindefo Zafitsimivalo.
Nitafa fohy tamin’ny mpanao gazety izy taorian’izay nanambarany fa taratasy fitarainana fangatahana fanafoanana ilay fifidianana fihodinana voalohany tamin’ny 25 oktobra lasa teo ilay nateriny. Tsy tomombana ny fikarakarana iny fifidianana iny, hoy ity praiminisitra teo aloha ity ka rariny raha toa ka foanana ary averina indray izany ary ampanarahana ny tena tokony ho izy. Nifanarahana tany am-boalohany ny hametrahana nomerao amin’ireo bileta tokana hampiasaina, araka ny filazan’i Monja Roindefo, saingy tsy voaporofo hatreto fa tena notanterahana tokoa izany. Tsy nisy nanaraka ny tokony ho izy ny fikarakarana iny fifidianana iny, hoy ity kandida ity satria raha ny resaka kara-pifidianana no noresahana dia nahazo telo samy hafa ny tenany dia tao Ambolokandrina, Antsakaviro ary tany Toliara. Porofo io, hoy izy nanamafy, fa tsy mandeha araka ny tokony ho izy ilay “logiciel” ampiasain’ny CENI-T izay nodradradradraina fa tena arifomba sady manara-penitra. Manginy fotsiny ireo tranga hafahafa hita tamin’ny tsy fanangonan’ny CENI-T ny kara-pifidianana tsy nisy mpampiasa na koa teo amin’ny resaka fanangonam-bokatra. Ireo rehetra ireo no nanosika ity kandida ity nangataka ny hanafoanana ny voka-pifidianana izao, ahazoany 1,30% mahery amin’ny vato manan-kery araka ny vokatra vonjimaika avoakan’ny CENI-T omaly hariva.
Nofy R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.