Nivoaka tamin’ny fahanginany manoloana ny raharaham-pirenena ny antoko Monima. Milaza ho tsy gaga amin’ny zava-doza mety hateraky ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana faharoa niaraka tamin’ny fifidianana solombavambahoaka i Monja Roindefo manoloana ny fisian’ny tsy fahatomombanana samihafa izay efa niseho tamin’ny fihodinana voalohany rahateo ary efa nanaovany fitarainana saingy tsy nisy niraharaha na ny CES na ny fianakaviambe iraisam-pirenena koa aza. Tsy miraviravy tanana anefa na izany aza ity antoko ity fa manolotra soso-kevitra amin’ny CES hisorohana ny korontana mety hateraky ny valim-pifidianana. Raha ny hevitr’i Monja Roindefo dia “tokony hataon’ny CES ao anatin’ny mangarahara sy manaraka ny lalàna ny fijerena ireo fitarainana voarainy satria izay ihany no fepetra haneken’ny mpifaninana ny valim-pifidianana sy hampisy filaminana sy fitoniana”. Milaza ho vonona hijoro hatrany hisian’ny tena demokrasia sy fametrahana firenena tan-dalàna koa ny filohan’ny Monima.
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.