Mody manao mampalahelo ny TGV

7 taona niavonavona, naloan’ny


  • Talata 21 Oktobra 2025

vahoaka vao hoe vonona hifampiresaka

Vao tany amin’ny fifidianana 2018 dia Andry Rajoelina sy ny ekipany, fa tahaka ny valy boraingina fanaon’izy ireo tain’ny fitondrana tetezamita (2009 – 2014) moa dia tsy nihaino mihitsy izy ireo, eson-teny indray aza no natao. Teo ny hoe aza manakorontana fa avelao handeha ny asa fampandrosoana, mpanohitra tsy mahazaka olona ianareo, mahandrasa fifidianana… Ankehitriny taona 2025 rehefa nahatsapa ny TGV fa naloan’ny vahoaka dia io fa mody manao mampalahelo sy milaza fa vonona amin’ny fifampiresahana. Tena aoka hazava ny resaka hoy ny depiote Fidele Razara Pierre omaly maraina tao amin’ny Miara-manonja fa fanesorana ny IRMAR no natao teto fa akisao mihitsy aloha izany IRMAR izany. Nanala an-dRajoelina sy ny forongony no nataon’ny vahoaka ka mila milamina ry zareo aloha. Inona tokoa moa izany no hifampidinihina amina olona efa naloan’nny vahoaka ? Fiovana no tadiavinay, fanadiovana ny fitantanan-draharaham-panjakana no takianay, fiainana ara-tsosialy mirindra no hetahetanay hoy ireo mpitolona teny an-kianja.MItovy amin’izay ihany ny hetahetan’ny tokantrano Malagasy maro be izay tena niha sahirana tao anatin’ny fitondran’i Andry Rajoelina. Efa nomena 7 taona be izao nitantanana ny TGV IRMAR, saingy variana loatra tamin’ny endrika ivelany sy ny serasera ary ny fampiesonana manarapenitra dia io rava io. Ny mampanahy dia sao manao paiakdy politika hidirana anaty governemanta sy ny rafitry ny repoblika izay kasaina havaozina indray ry TGV IRMAR. Inoana fa olon-kendry ny filoha vaovao hoy ireo mpitolona eny an-kianja ka tsy ho tafiditra anaty vele-pandrika politika fa tena hiroso tokoa amin’ny fanavaozana.
RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Paul Rabary
  • Alarobia 22 Aprily 2026

«Apetraho dien’izao ny rafitra tsy mitanila!»

  • Minisitry ny Fitsarana
  • Alarobia 22 Aprily 2026

« Niray tetika tamin’i Kol.

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Talata 21 Aprily 2026

«Fotoana hihainoana ny rehetra izao!»

  • ANTOKO FANOROLAHY-
  • Talata 21 Aprily 2026

FANAVAOZANA TENA IZY Ataovy aloha ny fifidianana

  • MADAGASIKARA (1991 – 2026)
  • Talata 21 Aprily 2026

Misy tsy mety ao matoa mikorontana isaky ny mihetsika

  • Hary Razafindrazaka
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

"Ireo MAPAR anaty fitondrana

Hijery ny tohiny
FTT