Mizara galona, hividy fiaramanidina,

… Ny manam-basy tompoina, ny vahoaka vonoina…


  • Talata 18 Febroary 2025

Notanterahana omaly 17 febroary 2025 teny amin’ny Toby Vondron’ny mpilatsaka an’elon’aina

na ny Bataillon parachutiste" eny Ivato ny fanolorana ofisialy ny faneva sy galonan’ireo manamboninahitra ambony, izay vao niakatra galona ho an’ny taona 2024. Miisa 35 izy ireo, izay kolonely niakatra ho « général de brigade» ny 22 amin’ireo. Lanonana teo ambany fitarihan’ny Filoham-pirenena. Nandritra io no nilazan’i Andry Rajoelina, fa hankalaza ny faha-65 taona niverenan’ny fahaleovantena fa hankalaza ihany koa ny faha-65 ihany koa niforonan’ny foloalindahy Malagasy, ka nilazan’ny Filoha ankehitriny fa mendrika ao anatin’ny fahamendrehana. Nampanantena noho izany i Andry Rajoelina fa ho fanamafisana ny fampitaovana ny foloalindahy, dia hahazo fiaramanidina 3 hahafahana mitondra ireo « troupes », hitondra ireo famonjena fitaovana rehefa misy voina, hanamafisana ny fandriampahalemana hanaovao ny fitaovana toy ny fanamiana ho an’ny miaramila, polisy, zandary,… Ny 26 jona 2019 raha hiverenana no nisian’ilay fiaramanidina Casa izay nanao sidina vitsivitsy dia nanjavona. Voalaza fa efa nandoavana 4 tapitrisa dolara mahery kanefa nalain’ny tompony, saingy narirarira teny moa, tsy nisy resaka, tsy nisy nangarahara,… dia izao mampanantena indray. Fampahatsiahivana fotsiny iny, fa tsapa sy tsikaritra hatrany ny politikan’ny fitondrana volomboasary ankehitriny, fa manamafy ny karazana pimaso sy fianteherana amin’ny tafika. Noho ny fahatsapana ny tsy fahamarinan-toerana ara-politika ka manantena mafy ny foloalindahy amin’ny fiarovana ny fahefana araka ny tenin’ilay jeneraly efa misotro ronono fa tsy hisy haharesy basy !? Na ny fandraisana ho mpiasam-panjakana aza dia nomena tombodahiny ny foloalindahy, raha nisy fampiatoana 6 volana ny sehatra rehetra,… Mitombo ny bekitantana fa ny tsy fandriampahalemana mandravarava ! Tsy resaka fankahalana na fialonana ny foloalindahy, fa filazana ny politika asehon’ny fitondrana dia ny fanomezan’ny Fitondrana vahana sy tombotsoa kokoa azy ireo, fa ny olam-bahoaka ampandeferina. Mihamafy ilay fanaovana fitaovana politika ny tafika na ilay antsoina hoe : « politisation de l’armée » sy ny politika omena endrika herim-basy aman-tafondro na « militarisation de la politique », araka ny famaritana nataon’ny Pr Monique Rakotoanosy nandritra ireny hetsika politika nialohan’ny fifidianana filoham-pirenena 2023 ireny. Voakarakara ara-tombotsoa ny tafika, andanian’ny Fanjakana volabe, fa ny zavatra hafa no ampandeferina, ny fahoriam-bahoaka miha mikoroso fahana,… Vonoina ankolaka ny Malagasy manoloana ny tsy fahaiza-mitantana, vidim-piainana midangana, tsy fananan’asa, tsy fandriampahalemana, famoretana, fanagadrana,…
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT