Mitombo ny ahiahin’ny MMM

“Inona no antony hanafenan’ny CENI ny biraom-pifidianana?”


  • Alakamisy 31 Aogositra 2023

Ny CENI na ny vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana mihitsy no nanao ny fangatahana ny fampidirana ireo

olona efa voaisa fa tsy tafiditra anaty lisitry ny mpifidy teny amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany, hoy ny fampitam-baovao voaray omaly. Raha ny lalàna mifehy ny fifidianana dia ny olon-tsotra no manao ny fangatahana eny hampidirana ny anarany anaty lisitry ny mpifidy raha toa ka tsy tafiditra ao ny anarany ary efa nisy ny fanamarihana fa vita ny fanisana azy. Efa nanamafy izany ny firaisamonim-pirenena ary voalaza ao amin’ny andininy faha 25 mikasika ny lisitry ny mpifidy izany. Tsy voararan’ny lalàna kosa ny fanaovan’ny CENI io fangatahana io, araka ny lalàna 2015-020 mikasika ny CENI, hoy ity rafitra ity. Mpifidy maherin’ny 10.000 isa avy amin’ny distrika miisa 80 no nanaovana fangatahana, hoy ny fanazavana, ka manana 10 andro hamaliana izany ny fitsarana. 75 amin’ny distrika miisa 4 eto Analamanga no isan’ny fitsarana efa namaly izany dia Ambohidratrimo, Tana 5, Tana 6, Andramasina. Manoloana ny heverin’ny antoko politika Malagasy miara-miainga na MMM fa tsy fanarahan-dalàna ataon’ny CENI anaty fikarakarana fifidianana kosa dia nandefa taratasy miantefa amin’ity rafitra ity izy ireo mikasika ny lisitry ny biraom-pifidianana isaky ny fokontany. Mazava, hoy izy ireo, ny voalazan’ny lalàm-pifidianana 2018-008 ao amin’ny andininy faha 125 fa tokony hipetraka eny amin’ny fokontany tsirairay avy ireo afisy manazava ny lisitra sy ny isan’ireo biraom-pifidianana isaky ny fokontany. 60 andro mialohan’ny datim-pifidianana fara-faha tarany no tokony hipetraka eny amin’ny fokontany izany. Tsy mbola nisy ny lamina mikasika izany, raha ny fanadihadiana natao teny anivon’ireo fokontany. Tokony hiisa 700 isaky ny biraom-pokontany ny mpifidy, raha io lalàna voalaza io hatrany. Efa miroso amin’ny fanontana ireo karatry ny mpifidy koa etsy ankilany ny CENI na dia mbola tsy voafaritra eny amin’ny fokontany sy ny gazetim-panjakan’ny repoblika aza ireo biraom-pifidianana ireo. Inona no antony hanafenan’ny CENI ny biraom-pifidianana raha izany sa miandry ny fotoana farany tsy hahafahan’ny olompirenena manitsy izany intsony, hoy hatrany ny fanontaniana?
Nangonin’i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT