Mitohy ny làlan’i Penjy hitantana an’Ivato…

Hafana ny faradoboka goavana amin’ny alahady


  • Alarobia 04 Desambra 2024

Mizotra araka ny tokony ho izy hatreto ny fampielezan-kevitry ny kandida Penjy Randrianarisoa N°2

ao amin’ny Kaominina Ivato. Miditra amin’ny herinandro farany sy kihon-dàlana farany izany, ka eny amin’ny Foiben-toerany na QG akaikin’ny Horizon Ivato no hifanotronan’ny vahoakan’Ivato sy ny kandida Penjy hanaovana ny faradoboka lehibe. Hisy ny mpanakanto maro hanotrona sy hanafana ny fotoana, raha ny fampahafantarana. Tao anatin’izay tapa-bolana mahery izay, hita taratra ny fiaraha-mientana sy ny fahavononan’ny vahoaka sy ny herivelona samihafa hamerina indray an’i Penjy ho ben’ny tanàna noho ny asa vitany tamin’ny fampandrosoana ity Kaominina izay vavahadin’i Madagasikara ity. Ben’ny tanàna isan’ny nisongadina indrindra tamin’ny fitantanana ny Kaominin’Ivato i Penjy, ary mbola andrandrain’ny vahoaka hanohy izany ao anatin’ny taom-piasana fahatelo. Tena mirotsaka an-tsehatra sy an-tsitrapo ny olona, tsy tambazana vola, fa entin’ny fitiavana sy finiavana hampandany indray an’i Penjy Randrianarisoa. Maro ny zava-bita ary maro no mbola ho tohizana, koa tena mbola mila anao ny vahoka eto Ivato sy ny manodidina arotsay ho azy ary ny vatontsika, N°2 aminy 11 desambra, ho ben’ny tanana indray, hoy ny fiaraha-mientan’ireo vahoaka eny an-toerana. Miangavy ny tompon'andrakitra isan'ambaratongany hanara-maso ny tokontany hifaninana kosa i Penjy Randrianarisoa izay naneho fa misy miseho ho tsy maty manota amin'ireo kandida amin’ny fikasana hanao hosoka samihafa.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT