Notapahin’ny Jirama nanomboka ny sabotsy 5 desambra tolakandro teo ny herinaratra miditra ao amin’ny orinasa TIKO any Andranomanelatra Antsirabe.
Araka ny fantatra, na eo aza ny fisian’ny faktioran-jiro nitambatra tsy mbola voaefan’ity orinasa ity dia azo heverina ao ambadik’izao fihetsika izao ny resaka politika.
Potehana hatramin’ny farany ?
Mazava mantsy fa noho ny toe-draharaha nisy teto amin’ny firenena sy ny nihatra tamin’ny mpanorina an’ity orinasa ity manokana dia tsy afa nihodina ara-dalàna mba ahazoana manefa izay tokony hefaina rehetra izy. Ankehitriny, rehefa hita fa mivonombonona amin’ny hamerenana amin’ny laoniny ny orinasa ny tompony dia izao ilana an-tsojay izao indray. Azo ambara fa fihantsiana ady fotsiny izao ity fanapahan-kevitra noraisin’ny Jirama ity izay inoana fa tsy maintsy misy toromarika manokana avy amin’ny tompon’andraiki-panjakana ambony eto amin’ny firenena. Efa nangina manoloana ny sotasota sy filam-baniny atao aminy Atoa Marc Ravalomanana, tahaka ny fibodoana ny taniny eny Andohatapenaka, ny fandrahonana sy vava be natao momba ny tanin’nyMagro eny Ankorondrano, ny fisintonana ny “licence” ho an’ny MBS, ary izao dia fanapahana herinaratra indray no atao. Mazava be ny resaka eto fa manohy ny asan’ny tetezamita amin’ny famotehana an-dRavalomanana sy izay rehetra momba azy ny fitondrana Rajaonarimampianina.
Heno fa hisy fihaonana rahampitso talata 8 desambra eo amin’ny Jirama sy ny orinasa TIKO. Fantatra koa, avy amin’ny vaovao marim-pototra voaray avy any an-toerana, fa iharan’ny fahatapahana ny jiron’olon-tsotra ao an-tanànan’Antsirabe ankehitriny izay mampisavorovoro ny mponina any an-toerana fatratra.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.