Mamaky ady amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA) ny fitondrana foibe.
Izay avy hatrany no mby tao an-tsain’izay rehetra nanontaniana vao nandre ny feo miely nanomboka ny fiandohan’ity herinandro ity fa halain’ny fanjakana eo am-pelatanan’ny fiadidiana ny tanànan’Antananarivo Renivohitra ny fitantanana ireo tsena lehibe, sy ny «parking» ary ny fanomezana fahazoan-dalana hanorina fotodrafitrasa na «permis de construire» eto an-drenivohitra. Resa-bola no resaka eto. Samy milaza fa «resaka mandeha tokoa izany» izay rehetra, tsy manamarina na mandiso ny tena fisiany ; fa raha izay no tanteraka dia mazava be fa misafidy ny lalan’ny fanakorontanana ny fitondrana, ary hatombony eto an-drenivohitra izany ary dia tsy hisy fampandrosoana ho vanona ao anatin’ny disadisa. F’angaha dia efa ritra ny kitapom-bolam-panjakana sa tsy manan-kantenaina intsony ny fanjakana no dia ny kely mba fidiram-bolan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra indray no hangaronina, satria io no akaiky vilany feno arina ? Sa tahotra sao hanao dingan-dava amin’ny fampandrosoana ny tanànan’Antananarivo araka ny efa nambarany eo Rtoa Ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana, ka aleo giazana ? Handrora mitsilany ihany anefa ny fanjakana raha izay no fomba heverina fa hifehezana an’ity Ben’ny tanàna ity sy ny ekipany, satria ny Vahoaka mihitsy no mety hitroatra leo ny antsojay lava atao amin’ny olona nametrahany ny safidiny, hitondra azy any amin’ny fampandrosoana.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.