Politique

Mitambatra ny lonilonim-pifidianana Ho gidragidra eto raha tsy mitandrina


  • Zoma 12 Jolay 2019

Efa tany amin’ny fifidianana filoha nampandaniana an-dRajoelina no efa lesoka tsy nifankahitana fa nikipiana. Niroso tamin’ny fifidianana solombavambahoaka ihany isika ka tafita ny leson-dratsy,

 

 hany ka didim-pitsarana momba ny fifidianana aza toa didy fakan-tahaka na “jurisprudence” an’ny teo aloha. Tsy hivaona amin’izay ny fifidianana ben’ny tanàna, raha izao fandehany izao. Nanomboka tany amin’ny fifidianana Filoha no efa nisy fahatezerana sy alahelo avy amin’ny ampahana Malagasy ary ny mpifidy 2,5 tapitrisa monja amin’ny 10 tapitrisa no nahalany io filoha io. Nitohy tamin’ny fifidianana depiote ny lesoka sy hosoka, ary nilatsaka be ny taham-pandraisana anjara. Misy hatezerana miotrika tamina fifidianana roa nifanesy izany ao fa noleferina. Tamin’ny voalohany, dia mety i Marc Ravalomanana sy ny mpiara-dia aminy ihany no lasibatra, fa taty amin’ny fifidianana solombavambahoaka, dia misy avy amina ankolafin-kery samihafa mihitsy.  Mety mahatoky tena ny mpitondra fanjakana ankehitriny, fa mahomby ny amboletra sy ny don-tandroka, ka milefitra avokoa ireo mahatsiaro ho tratry ny tsy rariny. Mazava fa nahazo lesona sy mahatoky izay fomba fiady izay amin’ny fifidianana ben’ny tanàna, saingy ny an-daniny kosa miha mihombo ny alahelo sy hatezerana. Ahiana hirefotra amin’ny fotoana tsy ampoizina io satria na inona na inona aloha lazaina, dia fahefana tsy tena marin-toerana no eo am-pelatanan’ny mpitondra ankehitriny. Karazan’ny milalao afo ihany, raha mbola minia be di-doha sy mihevi-tena ho mafy. Nisy teto no toa noterena hangina, nandeha tamin’ny ara-dalàna fa tsy nahazo rariny. Maro ny mpitondra nalaza ho mafy teto, saingy nisy fetrany avokoa, ka asa na hahay haka lesona ny fanjakana Rajoelina.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT