Politique

Mitaky fifampidinihana ny iraisampirenena “Tsy hamatsy vola fifidianana feno hala-bato”


  • Alarobia 11 Janoary 2023

Herintaona mahery izay ny Rodoben’ny mpanohitra ho an’ny demokrasia eto Madagasikara na RMDM no niala nenina, hoy ny filohan’ny antoko politika Teza, Jean Louis Rakotoamboa.

Misy tsy mety ny fitsipi-dalao amin’ny fifidianana sy ny demokrasia, hoy izy. Miziriziry ny fitondrana. Manara-dalana izy fa io lalana arahany io rehefa jerena ny vokany dia manidy ny rafitra ho azy irery. Olony daholo no ao amin’ny CENI sy HCC. Mpiasa an-tselika no hampanaovin’ny CENI fanavaozana ny lisi-pifidianana nefa iankinan’ny hoavin’ny firenena manontolo. Izay no nahatonga ny RMDM hoe andao hifampidinika hisorohana ny fifandonana. Hatreto, afa-nenina ny RMDM. Efa nitaky ny vondrona iraisampirenena hoe mifandiniha tokoa. Rehefa tsy hanao ny fitondrana dia tomponandraikitra amin’izay hiseho eto. Tsy hanaiky lembenana intsony mihitsy ny RMDM hoe mbola hisy hanakana ny demokrasia na hanao ny tsy mety eto. Ho hitantsika eo ny fifandanjan-kery fa ny tianay dia fifidianana hifanarahan’ny rehetra, tsy misy hala-bato. Tsy misy fifidianana handeha izany eo raha tsy mipetraka tsara ny fitsipi-dalao rehetra. Tsy hamatsy vola fifidianana feno hala-bato izany ny fianakaviambe iraisampirenena. Raha ny tokony ho izy izao ny fanaraha-maso io fanitsiana lisitry ny mpifidy io dia na ny fiarahamonim-pirenena aza afaka midina ifotony manao izany. Fifidianana madio tsara tena ivoahan’ny safidim-bahoaka no tanjona atao eto. Faniriana koa ny hoe ho ara-potoana ilay izy nefa raha ho feno hala-bato dia ho haingon-tsehatra ianao. Ho lany herim-po. Ho lany vola. Lany andro nefa fifidianana tsy hanjary. Tsy hisy hiditra amin’izany, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

Hijery ny tohiny
FTT