Mitaha ny tamin’ny 2018 fotsiny

“Mihemotra ny demokrasia eto Madagasikara”


  • Talata 14 Novambra 2023

Tena tsy vonona ny fikarakarana fifidianana, hoy ny mpikatroka MFM, Dr Pierre Michel Ralaivelo. Izaho izao,

hoy izy, vao teo no nahita olona any Nosy Boraha na Sainte Marie, izao vao manomboka ny fampiofanana ireo mpikirakira fifidianana. Any Sainte Marie nefa mora ihany satria tonga iray andro na tapak’andro. Ora vitsy ny olona dia tonga eo amin’ny toerana hanaovana fiofanana. Ahoana izany raha any amin’ny toerana hanaovana dia an-tongotra 2 na 3 andro vao tonga any amin’ny distrika? Hanaporofoana koa fa tsy vonona na ny mpitondra na mpikirakira fifidianana hanao io fifidianana io dia izao; be dia be amin’ireny toerana natokana hametrahana peta-drindrina ireny no tsy misy na inona na inona eo amin’ilay malalaka voalohany natao hanentanana mpifidy. Nihemotra isika, raha tsy ampitaha afa-tsy ny tamin’ny taona 2018 fotsiny, raha tsy hilaza afa-tsy ny hoe nisy hadihevitra tamin’ny fahitalavitra nifandresen’ny kandida lahatra ary indrindra nametrahan’ny mpanao gazety fanontaniana ho an’ireo mpirotsaka ho fidiana. Andeha atao hoe tsy mirotsaka tamin’ity ny kandida miisa 10 fa tsy misy hadihevitra. Na aiza eran-tany dia misy hadihevitra handresena lahatra ny mpifidy ary indrindra, hisedrana azy ireo amin’ny fandresen-dahatrany sy ny zavatra ataony. Misy ilay CCFBP na komity fanaraha-maso ny fiasa sy fiainana politika eto Madagasikara. Teo io rafitra io tamin’ny 2018. Natao hanara-maso ny loharanom-bola, fampiasana vola, mamantatra ny kaontim-bolan’ireo kandida sy ny toy izany io. Tsy hita intsony izany izao. Mihemotra izany ny demokrasia eto Madagasikara, raha mitaha ny tamin’ny 2018 fotsiny, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT