Misintona lakolosy ny KMF

CNOE “Manararaotra ny mpitondra, ampitovio ny rehetra !”


  • Alarobia 19 Aprily 2023

Tsy nitsitsy fitenena ny avy amin’ny KFM/CNOE Fanabeazana olom-pirenena tamin’ny alalan’ny filohany omaly nilaza, fa misy ny fanararaotana ataon’ny mpitondra,

ka mifangaro ny lanonam-panjakana sy ny hetsika politika, kanefa ny hafa sakanana. “Natao ho an’ny rehetra fa tsy hijerena tavan’olona ny lalàna, ary mihatra amin’ny olom-pirenena rehetra. Mitaky ny fanajana ny fenitra demokratika sy ny fanajana sy zon’ny Malagasy iray manontolo izay iantoan’ny lalàmpanorenena io firaisamonim-pirenena”, hoy io Firaisamonim-pirenena io. Nahitsy ny KMF/CNOE nilaza fa misy ny fanararaotana ataon’ny fitondrana. “Manararaotra ny fanokanana fotodrafitrasa sy fanokanana zava-bita etsy eroa ny antoko politika ao anatin’ny fitondrana hanaovana hetsika sy fanambarana politika, hanaovana fitaovana sahady ny mpifidy ho tia ny antoko na heverina ho kandidan’ny antokon’ny fitondrana”, hoy ny Filohan’ny KMF/CNOE. Samy mahita sy mahare ny fiteny mandeha hoe: tia ny Filoham-pirenena isika dia fantatrareo ny tokony atao, fitia mivaly fitia, raha mahay mamaly,… ankoatra ireo fiteny izay mandrangitra adim-poko eto amin’ny firenena, hoy hatrany ny fanazavana. Nanipika io firaisamonim-pirenena io, fa raha mbola hampiharina ilay fanambarana nataon’ny Minisitry ny atitany ny 31 martsa mandrara, dia tokony hitovy ny rehetra, anaty trano ny fanaovana kabary politika, fa tsy afangaro amin’ny fanaovana raharaham-panjakana. Tokony kabary mampiseho firaisan-kiana sy maha iray ny vahoaka fa tsy kabary fanindrahindrana na fitaomana sahady ny mpifidy amin’ny antokon’ny fitondrana, hoy ny Filohan’ny KMF/CNOE. Efa nisy moa ny fanambarana nataon’io Firaisamonim-pirenena io afak’omaly 17 aprily naneho io fanararaotana sy fampifangaroan’ny Fanjakana ny lanonana ara-panjakana sy ny hetsika politika io, fa anisan’ny nampametra-panontaniana azy ireo ny fandaniana mihoampampana amin’ireny lanonam-panjakana ireny, raha mihoatra amin’ny fahasahiranana lalina mianjady amin’ny vahoaka.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT