Saika hisy ny fanovana tamin’ny ampahany ny governemanta na “mini remaniement” ny 22 jona lasa teo saingy tsy raikittra tamin’ny ora farany?
Tompon’andraikitra ambony roa eo anivon’ny fitandroana ny filaminana no isan’ny saika hakisaka saingy tsy tanteraka aloha, hoy ny feo mivoaka avy any anaty Fitondrana. Tao anatin’ny 5 taona latsaka kely nitondran’Atoa Andry Rajoelina, efa fanineniny teo ho eo ny fanovana na fikitihana ireo mpikamban’ny governemanta, saingy tsy tena nahatafavoaka baolina, fa miharendrika hatrany ny firenena. Raha raisina amin’izany, somary mafampana ny toe-draharaha anatiny ao anatin’ny fitondrana amin’izao ankatoky ny fifidianana izao. Ny etsy amin’ny Antenimierampirenena katsahina haongana ny Birao maharitra sasany fa ny ao anaty governemanta ihany koa misamboaravoara? Saika hotendrena tamin’io fotoana io ihany koa ny loholona izay solon-dRatoa Landy Mbolatiana Randriamanantenasoa, izay lasa minisitry ny fitsarana, saingy mbola tsy tanteraka. Heverina fa mety hamaritra ny ho paikady politikan’ny Fitondrana Rajoelina mialohan’ny fifidianana ny fanendrena izay ho Loholona amin’ny toerana banga ao Anosikely. Heverina mantsy ny mety hiverenan’ny sary tahaka ny tamin’ny andron’ny HVM izay nanala an’Atoa Honoré Rakotomanana tsy ho Filohan’ny Antenimierandoholona, ary nametraka an’Atoa Rivo Rakotovao tamin’izany toerana izany. Raha tsiahivina hatrany mantsy, tsy maintsy miala amin’ny toerany 60 andro mialohan’ny latsa-bato ny Filoha am-perin’asa raha mbola ho kandida amin’ny fifidianana Filoham-pirenena, araka ny andininy faha-46 amin’ny lalàmpanorenana. Hotazonina amin’ny toerany hitondra ny baolina hatramin’ny farany ve Atoa Herimanana Razafimahefa sa hametraka olon-kafa eo amin’izay toerana izay ? Inona no mbola tsy hanendren’ny Fitondrana ny loholona ho eo amin’ny toerana banga nanomboka ny 20 febroary 2023 nisian’ny fanovana teo anivon’ny governemanta ? Heverina fa mifandraika amin’izany ny mbola tsy hamoahana hatramin’izao ny tetiandrom-pifidianana mazava, fa roritina amin’ny hoe : mbola manana hatramin’ny 12 jolay ny fitondram-panjakana. Asa izay mety ho fanapahan-kevitra ara-politika eo anivon’ny Fitondrana amin’izao faramparan’ny volana jona izao na ny fiandohan’ny jolay satria mihazakazaka ny raharaham-pirenena ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.