Tena nanamarika ny governemanta vaovao ny fisian’ny tena miralenta voalohany ho an’ny governemanta teto Madagasikara,
hoy ny filohan’ny antoko politika Ny Fireneko, Paul Rabary. Isan’ny voalohany aty Afrika izany, hoy izy, izao i Madagasikara amin’io miralenta io. Ny miralenta moa dia hoe fanomezana ny fampitovian-jo eo amin’ny fitantanana raharaham-panjakana ho an’ny vehivavy sy lehilahy ary ny fanomezana sehatra ny vehivavy mitovy amin’ny lehilahy. Na izay fotsiny aza aloha izany dia ahitana taratra finiavana fanovana eto Madagasikara. Miainga amina tandindona na «symbole» tsinona aloha ny zavatra rehetra. Rehefa manome lanja ny vehivavy toy izao ny firenena dia manosika ireo tanora, ireo ankizy vavy rehetra manerana ny nosy hiezaka amin’ny fianarana, hilofo amin’ny fikirizana fa hisy toerana ho an’ny vehivavy eto Madagasikara. Ngezabe izay tandindona izay. Betsaka ny adihevitra tamin’ireny praopagandy ireny hoe aiza ho aiza ny anjara toeran’ny manam-pahaizana eto Madagasikara? Io izy io. 100%n’ny minisitra dia manam-pahaizana daholo. Vitsy dia vitsy ny mpanao politika ao anatin’io governemanta io. Tsy mihoatran’ny rantsan-tanana miisa 5. Azo raisina ho mpanao politika, ohatra, ny minisitry ny fanajariana ny tany. Toy izany koa ny minisitry ny mponina dia izay fa tena tekinisianina ambony toy ny avy any amin’ny UNICEF, oniversite ambony, miainga avy ao amin’ny minisitera, izany hoe, ny manam-pahaizana izao no azo lazaina hoe mitondra ny firenena amin’ny alalan’ny governemanta. Azo lazaina ho mpanao politika koa ny minisitry ny fampianarana saingy vao haingana fa tekinisianina kokoa aza izy raha ny tena marina. Ny mikasika hoe tanora vao nahavita fianarana, ny asana minisitra tsy dia ilàna traikefa manao ahoana satria maka fanapahan-kevitra no tena anjaran’ny minisitra. Raha ohatra hoe nahavita fianarana izy, rahoviana indray izany izy vao hitantanana raharaham-panjakana? Rehefa retirety ve? Io miralenta sy fanomezana sehatra ny manam-pahaizana io izany no heverina hoe tranga ngezabe ho an’ny governemanta vaovao. Mitaky vokatra izany rehetra izany. Feno tsinona ny fepetra rehetra. Tratra 100% ny sary politika sy tandindona politika. Miandry vokatra izany isika eo amin’ny zavatra manahirana ny vahoaka toy ny rano, jiro, tsy fandriampahalemana, fampianarana, fahasalamana, fiakaran’ny vidim-piainana, fambolena, fiompiana sy sehatra maro samihafa satria tsy afaka manome tsiny ny mpanao politika intsony isika hoe mibahana sehatra fanaovana politika, hoy hatrany izy!
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.