MINISTRY NY ATITANY

Ho avy tsy ho ela ny fametrahana


  • Alatsinainy 29 Desambra 2025

PDS amin'ireo kaominîna misy olana

Namaly ireo karazana fanontaniana manitikitika ny olom-pirenena mikasika ny andraikitra tokony ho sahaniny ankehitriny ny Ministry ny Ati-tany sy ny fitsinjaram-pahefana Rakotonandrasana Hanitra Velonjara. Maromaro izy ireo hoy izy toy ny hoe : fa maninona no misy ny fanendrena Lehiben'ny faritra vonjy maika. Raha araka ny lalam-panorenantsika hoy ity Ministra ity dia fidiana ny Lehiben'ny faritra. Hatreto anefa raha araka ny fanazavana nentiny dia mbola tsy feno ny fepetra hahafahana manatanteraka fifidianana madio sy mangaraharaha eto amintsika sangy tsy maintsy hoatao kosa anefa izany amin'ny fotoana mahamety azy. Mikasika ny Faritra manokana dia notsindriany fa tsy maintsy hasiana mpitantana. Mpiasa marobe no mampiodina ny asa ao anatin'izany no sady hiankinan-javatra maro. Nitondrany fanazavana ihany koa ny mikasika ireo Kaominîna nanana olana izay maro ihany koa ka tokony hametrahana Filohan'ny delegasiona manokana na PDS. Ny Fitondram-panjakana dia manara-dalana hoy ny Ministra. Ny fanendrena PDS amina kaominîna iray hoy izy dia miandry ny fivoahan'ny didim-pitsarana eo anivon'ny Fitsaràna vao afaka manatontosa azy ny Ministeran'ny Atitany. Tafiditra ao anatin'izany ireo Kaominîna nanana Ben'ny tanana marary, maty....
Pati
Légende : Izy no Rakotonandrasana Hanitra Velonjara, Ministry ny Ati-tany sy ny fitsinjaram-pahefana !


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT