Nivadika ho resaka politika tanteraka ny fifamaliana anaty haino aman-jery hifanaovan’ny ministra Ndremanjary Jean André sy ny ekipany ao amin’ny ministeran’ny fanatanjahantena ankehitriny sy ny an’ireo federasiona ara-panatanjahantena niisa 19 nanao sonia ny fangatahana ny hialŕny amin’ny toerany.
Hoan’Ingahy ministra dia hatreny an-tseranam-piaramanidina teny Ivato izy ny Alarobia lasa teo raha vao tafaverina teto an-tanindrazana no tsy nahatsindry fo fa avy hatrany dia nampiaka-peo namaly ny fanontanian’ny mpanao gazety mikasika ny taratasy nataona federasiona 19 nangataka ny fanesorana azy (efa vita ho azy ny resaka taorian’ny fametraham-pialan’ny praiministra sy ny governemanta tarihany omaly). Izy dia tsy nisalasala teny amin’ny Paon d’Or ny zoma nanaraka an’io (tamin’ny fanolorana mari-boninahitra ny Sinoa tompon’andraikitry ny Lapan’ny Fanatanjahantena sy kolontsaina, Atoa Liu Chan Qi andeha hody any aminy) fa ministry ny spaoro mpanao politika izy ary tsy menatra amin’izany. Ny famaliana nivantana ireo federasiona voalaza teo ireo dia nohatevenin’ny Tale Jeneralin’ny fanatanjahantena Haja Ratovonirina tamin’ny fidirana nivantana tamin’ny fahitalavitra tsy miankina iray teto an-drenivohitra. Ho an’ny ministera dia tsy misy ny vola azo homena ireo taranja nangataka izany tao ho ao (tsipy kanetibe, fibatana fonjamby, Boxe française Savate, Kick sns…) fa efa fotoanan’ny fitsitsiana ny tetezamita asry efa be izay nomena izay.
Tetsy an-kilany, ho fanoherana izay nivantana, ny teny amin’ny Prezidansa dia nisy ny vola natolotra ho fanampiana ny taranja tsipy kanetibe ka ny filohan’ny fitondrana FAT Andry Rajoelina no nanolotra izany nivantana. Trangan-javatra tsy fantatry ny ministra izany fa izy aza nanontany ny mpanao gazety teny amin’ny Paon d’Or. Ireo filohana federasiona, nosoloin’ny filohan’ny federasion’ny fibatana fonjamby, Atoa Randriamanarivo Harinelina, kosa tetsy an-kilany, raha niditra nivantana tamina haino aman-jery tsy miankina hafa, dia nisaotra manokana sy nidera izany fihetsiky ny filohan’ny FAT izany sy ireo fanampiana be dia be efa vitany tamin’ny taranjam-panatanjahantena Malagasy ary nanitsy tamin’ny fanomezantsiny nivantana narahina fitononana anaran’ny ministra sy ny tale Jeneralin’ny fanatanjahantena ho tompo-mariky ny fikatsohan’ny fanatanjahantena eto Madagasikara. Ny roa tonta aloha dia samy miaiky fa marary ny fanatanjahantena Malagasy ary samy nifanebaka fa tsy mahay ny asany ny an-kilany. Dia izany tokoa ny fanatanjahantena miaina anaty politika sy ny resaka politika politisianina ampiharina amin’ny fanatanjahantena.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.