Politique

Ministeran'ny Tanora sy ny Fanatanjahantena Lasa Resampa misolo Resampa


  • Alarobia 22 Febroary 2023

Voatendry ho ministry ny Tanora sy Fanatanjahatena i Haja André Resampa. Hifandovan'ny taranak'i André Resampa ity ministera ity.

Raha zanany lahy i Haja dia zafikeliny kosa i Tinoka Roberto satria zanak'i Martine Tinoka, anabavin'i André Resampa .Tsy zoviana intsony i "Madame Martine" izay fantatry ny maro sy mamy hoditra raha nitantana ny Tranombokim-pirenena teo Ampefiloha, izay.niteraka ny tamin'i Toto Tinoka Roberto. Tsy ny Resampa misolo Resampa no olana fa ny mampanahy, ny ahiahy tsy hihavanana, dia ny mbola hatazonan'i Haja Resampa ireo tompon'andraikitra teo aloha. Tsy Tinoka Roberto velively no diso fa ireo mpiara-miasa efa tao am-polo-taonany maro toa ny Sekretera Jeneraly Lovatiko. Tsy afa-bela koa ny Tale Jeneralin'ny Fanantanjahantena Rosa Rakotozafy izay tompon'antoka tamin'ny nahavoasazy ny taranja tsipy kanetibe noho ny tsy fitazonana ny teny nomena. Mbola tsy voaloa mantsy ny volan'i Dollys Randriamarohaja nandehanana tany Thailande. Naka toky ity filohan'ny FSBM ity talohan'ny nandehanan'ny ekipam-pirenena tany Lomé ary dia nanaiky i Rosa Rakotozafy saingy maty ihany i Dollys fa mbola tsy azo ny vola. Tezitra noho izany ny Filohan'ny Federasiona iraisam-pirenena, Claude Azéma, ka namoaka sazy izay raha tsy mivaha dia tsy hisy Malagasy hilalao tsipy kanetibe amin'ny Lalaon'ny Nosy. Ity taranja ity anefa no mety hitondra medaly volamena sivy. Tsy azo tsinontsinoavina ity resaka tsipy kanetibe ity. Mpampianatra dihy no tena angadin'ity minisitra vaovao ity ka Indiana fa ho hainy ny hanao "pas de côté"ireo olana mitranga.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT