Politique

Minisitry ny vola Mitsoaka ny depiote ?


  • Alarobia 25 Novambra 2015

Nisolo vaika ny akalana indray omaly teny Tsimbazaza ny Sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny vola sy ny tetibola,

 

 Randrianasolo Alexandre, namaly ny fanontanian’ny mpanao gazety amin’ny tsy naha teny an-toerana ny minisitra tompon’andraikitra,  Rakotoarimanana François Marie Gervais. Fanindroany izao no tsy tazana teny an-toerana tamin’ny fanolorana volavolan-tetibolam-panjakana ity minisitra ity. Tsy fanomezan-danja an’ity zavatra ho dinihana ity ve no antony sa maika be ny rango-pohy natao tany ivelany tany ? Izahay aloha no eto izao, hoy Atoa Alexandre mamaly ireo fanontaniana napetraky ny depiote fa amin’ny fotoam-pandaniana ny volavolan-dalàna vao miditra lalindalina kokoa amin’ny famaliana ireo fanamarihan’ny solombavambahoaka ny minisitra. Tsy misy resabe tokony hatao  fa mahareta kely ka aleo any amin’ny asam-baomiera  no ahitana azy. Fa isika rehetra kosa, hoy  ihany ingahy SG raha te hijery ny fifandanjam-bolam-panjakana ho amin’ny taona 2016 dia aoka samy hijery ny tranonkalan’ny minisiteran’ny vola sy tetibola.

Ntsoavina Evariste

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT