Politique

Minisitry ny Fitsarana sy ny Fitaterana : Samy manana ny filazany amin’ny “Force One II”


  • Zoma 29 Janoary 2010

Ambetin-dresaka indray tato anatin’ny 48 ora izay ny amin’ilay fiaramanidina fampiasan’ny filoham-pirenena amin’ny dia izay nataony na ny “Force One II”. Kasain’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita hamidy izy io, havadika vola hividianana zavatra ilain’ny mponina andavanandro, araka ny fanazavana miverimberina ataon’ny manam-pahefana.

 

Mandrak’ity ny anio, tao anatin’izay folo volana nisian’ny FAT izay, tsy mety lafo io voromby io, na dia nanaovana dokambarotra ary niantsoana izao karazana orinasa lazaina fa havanana amin’ny fivarotana fiaramanidina sy helikoptera avy any ivelany rehetra izao aza. Ny mahatsikaiky amin’ity raharaha ity dia miovaova hatrany ny filazan’ny avy eo anivon’ny Minisiteran’ny fitaterana momba azy io, na ny tombam-bidy izany, ny lafiny teknika momba ny fiaramanidina, eny fa ny tompony aza. 60 tapitrisa dolara no nolazaina tany am-boalohany fa nividianana io “Force One II” io, ka hoe ny antsasany naloan’ny Fanjakana ary ny ambiny fandraisana anjaran’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Nangata-panazavana mikasika izany ny Tahirim-bola iraisam-pirenena. Niakatra Fitsarana famaizana tamin’ny 03 jona 2009 io raharaha io ka nohelohin’ny Fitsarana efa-taona an-tranomaizina sazy mihatra i Marc Ravalomanana sy Haja Nirina. Razafinjatovo, Minisitry ny fitantanam-bola sy ny tetibola tamin’izany, miampy onitra 70 tapitrisa dolara isanisany avy. Midika io fa notanan’ny Fitsarana ny 60 tapitrisa dolara vidin’ilay fiaramanidina tamin’ny fandinihana ny antontan-taratasin’ady ary misy idiran’i Marc Ravalomanana. Ankehitriny anefa dia hafa no vidy ambaran’ny Minisitry ny fitaterana. Eo amin’ny 38 tapitrisa dolara indray no tombanana ho vidin’io. Manaraka dia miahiahy ary mametra-panontaniana indray ny Minisitera raha misy idiran’i Marc Ravalomanana mivantana marina ny fahazoana an’io “Force One II” io. Mbetika milaza fa mifaningotra amin’ny orinasa Daewoo ny nahazoana azy, mbetika tenenina fa na ny vaovao amin’io karazana fiaramanidina io aza tsy mahatratra 60 tapitrisa dolara ny vidiny. Dia notovonana filazana fa be pitsopitsony amin’ny fikojakojana tsy vita tamin’ilay fiaramanidina. Raha akapoka dia samy manana ny filazany ny Minisitry ny Fitsarana sy ny Fitaterana momba io “Force One II” io. Raha izay no izy dia ipetrahan’ny adihevitra ny didim-pitsarana nivoaka tamin’ny 03 jona 2009. Nihazakazahana mba hanamelohana an’i Marc Ravalomanana ?
 
Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • POLITIKA sy RAHARAHAM-PIRENENA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Mila mailo ihany ny tanora

  • RAHARAHAM-PIRENENA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Tsy nanao amboletra naka Fitondrana

  • KOLONELY PATRICK
  • Zoma 17 Aprily 2026

Naiditra am-ponja vonjimaika eny Tsiafahy

  • Antananarivo Renivohitra
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Nomena ny TIM ny fitantanana

  • Kolonely RANDRIANIRINA MICHAEL
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Indroa saika hisy hamono

  • FIKAONANDOHA, FANAVAOZANA
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila mafy amin’ny serasera ny fanjakana

Hijery ny tohiny
FTT