Minisitry ny Fitsarana

Nanamafy ny fiarovana an-dRajoelina


  • Zoma 22 Septambra 2023

Tafapetraka tamin’ny alalan’ny lanonam-pitsarana omaly ny Filohan’ny Fitsarana ara-bola sy ny Tonia mpampanoa lalàna ara-bola eto Antananarivo.

Nanatrika izany ny Minisitry ny Fitsarana Rtoa Landy Mbolatiana Randriamanantenasoa. Nandritra io no nanontanian’ny mpanao gazety azy mikasika ny zom-pirenen’ny Filoha teo aloha Andry Rajoelina, izay nandeha ny feo fa izy no nanasonia izany. “Asan’ny Fitsarana ny manome taratasy manamarina ny fizakana ny zom-pirenena, fa tsy fiampangana angamba izany, tahaka ny andraikitra maro eo anivon’ny Fitsarana iray ny fanomezana io taratasy io, tafiditra ao anatin’ny asa aman-draharahan’ny fitsarana. Tsy hanavahana na iza na iza, rehefa tomombana ny antontan-taratasy rehetra dia tsy afaka mandà sy tsy manana zo handa hitsara ny antontan-taratasin’ady”, hoy ny Rtoa Landy Mbolatiana Randriamanantenasoa Minisitry ny Fitsarana. Nambarany fa raha tsy mamoaka ny taratasy fangatahana dia lasa manao “dénie de justice”. Hatreto, mbola tsy fantatra mazava hoe: iza ny mpitsara nanasonia io taratasy io ho an’Atoa Andry Rajoelina? Vita teo amin’ny mpitsara tsotra sa niakatra tany amin’ny Minisitra? Tsara rahateo ny manamarika, fa rehefa tsy afa-po noho ny mety fandavana teo anivon’ny Fitsarana ambaratonga voalohany, dia afaka mampiakatra any amin’ny Minisitry ny Fitsarana ny olona mangataka io taratasy io. Ny minisitra izay notendren’ny Filoha teo aloha, ary hatrany am-piandohana no efa niaro fatratra an’i Andry Rajoelina tamin’iny raharaha zom-pirenena Frantsay an’ity Filoha teo aloha ity iny, ka lojika ny fiarovany ny olona nanendry azy. Lasa adihevitra sy isan’ny olana politika hatram’izao toy ny tsy tokony hahafahan’i Andry Rajoelina mirotsaka io raha ilay andininy faha-42 amin’ny lalàna momba ny zom-pirenena milaza ny fahaverezan’ny zom-pireneny sy ny andininy faha-46 amin’ny lalàmpanorenana milaza fa ny mizaka ny zom-pirenena Malagasy ihany no afaka mirotsaka, saingy ezahin’ny ankolafin’ny fitondrana havadika ho fahatahorana an-dRajoelina, ary saika io avokoa no karazana fanehoan-kevitra mivoaka amin’ireo olon’ny fitondrana. Hialokalofana hatrany ihany koa ilay didy tsy azo ivalozana, nandavana ny fitoriana samihafa sy ny famoahana ny lisitra ka nahatafiditra ny filoha teo aloha mampiady hevitra io. Teo ny lalàna izay niadian-kevitra sy nororitina tamin’izay nahametimety, fa mba moa mba nanana etika politika sy fahintsiana ve eo anatrehan’ny hoe : toeram-boninahitra sy saropady ary tena mariky ny fiandrianam-pirenena anie izany filoham-pirenena izany ?
Toky R


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT