Politique

Minisitry ny fiarovana Nametra-pialana saingy tsy nekena ?


  • Sabotsy 21 Aprily 2018

Andro vitsivitsy izao no nandrenesana fa nametra-pialana ny minisitry ny fiarovam-pirenena , ny jeneraly Xavier Béni Rasolofonirina, saingy toa hoe tsy neken’ny filoham-pirenena izany.Hatramin’ny talata 17 aprily lasa teo no noezahana nokarohana ny vaovao momba io resaka io, saingy tsy nisy nahafahana nanamarina na nandiso azy.

Tsara ho marihana fa hatramin’ny volana janoary lasa teo no tsy nitsahatra ny nanambara ny jeneraly Xavier Béni Rasolofonirina fa tsy azo ekena ny eritreritra hanakorontana ny firenena, na koa hampisara-bazana ny foloalindahy; fanambarana izay nahafahana nisintona avy hatrany fa manana angom-baovao momba ireo raharaha ireo izany izy.Izy rahateo efa avy lehiben’ny etamazaoro jeneralin’ny tafika (CEMGAM) nandritra izao fitondrana HVM izao ny, izay manana sampan-draharaha manokana mpanangom-baovao, mialohan’ny naha minisitry ny fiarovana azy.Anisan’ny sarotra hahazoana vaovao moa ny foloalindahy fa tsy tahaka ny sampan-draharaham-panjakana mahazatra ka ny feo mandeha matetika no handrenesam-baovao tahaka izao.Miha mafana ihany koa araka ny fantatra ny any anaty lakazerina any tato anatin’ny volana vitsivitsy izay; ka asa na noho izany ve no mahatonga ny tompon’andraikitra ambony sasany mitady hanipy “gant” satria mety efa hitan’izy ireo fa ho ratsy ny toe-draharaha atsy ho atsy.Mifanandrify amin’ny vanim-potoana mavaivay eto amin’ny firenena ity resaka fametram-pialan’ny minisitry ny fiarovam-pirenena manomboka mahoraka ity ka andrasana izay fanampim-baovao ofisialy hilaza ny tena marina tokoa.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT