Minisitry ny fambolena sy fiompiana

"Atao laharampahamehana ny fambolena vary"


  • Alarobia 17 Janoary 2024

Na teo aza ny ezaka maro vita dia mbola misedra olana maro ny sehatry ny famokarana

eto amintsika hoy Ministry Fambolena sy ny Fiompiana vaovao, Suzelin RATOHIARIJAONA RAKOTOARISOLO. Mitaky fametrahana paikady vaovao ary fanafainganana ny fanohizana sy fanatsarana ary fanamafisana ny ezaka vita teo aloha izany hoy izy. Tontosa androany 16 janoary 2024 tao Anosy moa ny fifamindra-pitantanana teo amin’ ny Ministry ny Fambolena sy ny Fiompiana teo aloha, RAMILISON Harifidy sy ny Ministra Lefitra Misahana ny Fiompiana, Dr RAYMOND tamin’ny Ministry Fambolena sy ny Fiompiana vaovao, Suzelin RATOHIARIJAONA RAKOTOARISOLO. Ho atao laharam-pahamehana hoy ity Minisitra vaovao ity ny famokarana vary ka ankoatra ny voly vary an-drano dia hiezaka ny minisitera hampiroborobo ny voly an-tanety mba ahafahana manitatra ny velaran-tany volena. Eo ihany koa ny fanaovana ny voly avotra izay tena azo tsara. Ho jerena manokana koa ny mikasika ireo tanora vita fianarana ka misehatra amin’ny resaka fambolena sy fiompiana. Anisan’ny zavatra efa natomboky ny Minisitra teo aloha ary mbola ho tohizana raha ny nambarany ny fanohanana ny tantsaha mandinika amin’ny alalan’ny tan-tsoroka sy tohana. Natolotra nandritra ity fifamindram-pahefana ity moa ny boky mirakitra ireo paikady maro novolavolaina sy nohavaozina nandritry ny fotoana nitantanan’ny Minisitra sy ny Ministra lefitra ao anatin’ny fampiroboroboana ny sehatry ny fambolena sy fiompiana. Naneho ny fahavononany amin’ny fanatrarana ireo tanjona maro sy ny fanatanterahana ireo adidy sy andraikitra miandry azy ho amin’ny fahavitan-tena ara-tsakafo kosa ny Minisitra vaovao. Ity farany izay niantso sahady fiaraha-mientana amin’ireo mpiara-miombon’antoka Malagasy sy vahiny maro.
Lalaina Rav
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT