“Mahavariana raha nanolotra lehiben`ny mpanohitra ny vondrona parlementera Tiako I Madagasikara”, hoy ny minisitry ny atitany sy ny fitsinjaram-pahefana, Tianarivelo Razafimahefa omaly tetsy amin`ny Antenimieram-pirenena.
Mazava ny lalàna, hoy izy, ary nisy ireo hevitra roa lah. 04-2014 sy lah 01-2017 navoakan`ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) fa amin`ny rijan-teny misy didy aman-dalàna, amin`izao fotoana izao no tsy ahafahana mihitsy manendry lehiben`ny mpanohitra ofisialy. Antony, hoy ity ministra ity, ny fisian`nyfandinihana tolo-dalàna. Tany tan-dalàna i Madagasiakra ka tokony hanaja ny lalàna ny rehetra ary tokony hifehy ny lalàna misy eto amin`ny firenena. Na dia nisy aza ny taratasy nampahafantarana izany tany amin`ny minisitera, ny didy amn-dalàna sy fitsipika rehetra eto Madagasikara dia mila manaja izany na olon-tsotra na antoko politika. Eo amin`ny fiainam-pirenena dia nanamafy ny fahavononany ny minisitera amin`ny fikarakarana fifidianana ben`ny tanàna. Matoa ny fanjakana miroso dia efa vonona daholo amin`ny zavatra rehetra, hoy izy. Tsy namaritra ny tetibola ampiasaina amin`ny fifidianana kosa ny minisiteran`ny atitany fa efa misy ny fifampidinihana natao niaraka tamin`ny CENI. Nitondra fanazavana momba ny anto-bola nampitomboina avo roa heny izy ka nilaza fa noho ny zava-misy, ny vidim-piainana, ny zavatra angatahina no saingy nifandinihana. Nanamafy ny tenany fa naka ny hevitry ny rehetra ny governemanta vao nanapaka izany.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.