Politique

Minisitry ny atitany Miaro mafy ny fitondrana


  • Zoma 11 Desambra 2015

Vonona hifampiresaka ny fanjakana amin’ny hitadiavana izay marimaritra iraisana momba ny lalàm-pifidianana ho an’ny fifidianana senatorialy ho avy izao hoy ny minisitry ny Ati-tany Mahafaly Solonandrasana Olivier nandritra ny fihaonany tamin’ny mpanao gazety omaly.

 

Kolikoly ?

Henon’ny  fitondram-panjakana hoy ny  nambarany ny  fanamarihana  sy ny ahiahy  tsy ihavanana apetraky ny mpanao politika amin’ny mety  tsy hampangarahara ny  fifidianana Loholona  amin’ny faha 29 ny volana desambra  ho avy izao. Araka ny fanazavany  anefa dia  hatao amin’ny toerana iray lehibe eo anivon’ny  distrika ny fifidianana  Loholona fa ny efitra  fotsiny  no samy hanana ny azy isaky ny lisi-pifidianana. Nolavin’ny  minisitra marin-drano  ihany koa ny fanamarihana  nataon’ny  mpanao politika  ny amin’ny  mety  hanasaziana  na  hanalana ny ben’ny  tanàna  izay tsy nifidy Hvm amin’ny  toerany. Tsy  miankina amin’izany no hanomezana fanampiana na tsia ny  kominina iray hoy ny minisitra. Ny mampanahy aza hoy ny  minisitry ny  Ati-tany  dia ny  mahita   antoko na kandida tsy  manana ben’ny  tanàna na mpanolotsaina akory  kanefa  mbola  milatsaka ho fidiana ihany. Tsy ireny  ve no atahorana hanao kolikoly mba ahazahoana mpifidy hoy izy  nanao fanamarihana. Manaraka ny  fepetra tanteraka ny  fanapahan-kevitry ny komity mahaleo  tena misahana ny  fifidianana hoy ny minisitry ny Ati-tany  ka tsy misy tokony hampanahy ny amin’ny  fangaraharan’ny fifidianana. Momba  ny fiatrehana ny fety kosa  indray dia niantso  fitoniana politika ny  minisitra ka tsy tokony hisy famoriana  politika mihintsy  mandritra ity   faran’ny  taona  ity hoy ny  nambarany  afa tsy hoan’ireo mpanao fampielezan-kevitra rery ihany. Voakasik’ity fitoniana  politika  ity  avy hatrany ny hetsika kasain’ireo  mpitarika ny fitakiana ny  nosy  éparses izay saika  hatao ny sabotsy  izao. Fifandrifian-javatra ve sa efa  kajikajy natao ? Ny  prefektioran’ny polisy  izay tompon’andraikitra amin’ny   fanomezana alalana ny amin’izay no mety hahazahoana ny valim-panotaniana.

Andry Ratovo 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT