Politique

Minisitry ny atitany “Miandry kely aloha ny fampiharana ilay satan’ny mpanohitra”


  • Alarobia 17 Jolay 2019

Noheverina fa tsy hisy intsony ny sakantsakana mahakasika ny fanoherana eto Madagasikara ka hisy amin`izay ny fifandanjan-kery eto amintsika.

 

 

 

Ny antoko politika eto Madagasikara, rehefa mijoro ara-dalàna dia afaka manao fanambarana sy mametraka antontan-taratasy any amin`ny minisiteran`ny atitany ka rehefa hitany fa mijoro eto Madagasikara ny antoko dia mahazo taratasy fanamarinana izay milaza fa voaray ny fanambarana. Tsy tokony hohadinoina, hoy i Tianarivelo Razafimahefa, minisitry ny atitany fa na ny lalàmpanorenana na ny didy aman-tsipika rehetra misy eto Madagasikara dia milaza fa ny sehatra momba ny fanoherana dia miainga ao amin`ny parlemantera. Eo anivon`ity andrim-panjakana ity no misy ny atao hoe vondrona parlemantera ka atsangana ny vondrona parlemantera ho an` ny mpanohatra. Ny fanontaniana tena mipetraka, hoy izy, dia momba ny lehiben` ny mpanohitra. Noho izany, ny vondrona parlemantera izay tsy mpanohana fitondrana dia mifanaraka amin` izay ho lehiben` ny mpanohitra na mifidy izany. Notsipihany manokana kosa ireo hevitra nangatahana teo anivon` ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC): Avis n° 04-2014 HCC/AV sy Avis n° 01-2017 HCC/AV. Voalaza ao anatin` ireo fa raha ny didy aman-tsipika amin` izao dia tsy ahafahana aloha manendry izany lehiben` ny mpanohitra eo anivon` ity andrim-panjakana. Navoakan` ny HCC tamin` izany fa tsy ampy na tsy feno ny lalàna momba ny mpanohitra na ny hitarika ny mpanohitra eny Tsimbazaza ka tsy nahafahan` izy ireo mandray fanapahan-kevitra hankato na tsia ny fangatahana hiditra ho mpanohitra eo anivon` ny Antenimiera. Lalàna efa lany sy nankatoavin` ity Fitsarana ity io sata mifehy ny mpanohitra io nefa nivadika indray izao fa misy tsy ampy. Noho izany, miandry izany didy aman-tsipika izany vao miroso amin` izay isika, hoy ny minisitry ny atitany. Nomarihany kosa fa ny antoko Tiako I Madagasikara no nametraka fanambarana fa antoko mpanohitra. Na nolavin` ny HCC aza ny fangatahana ny hanendry ny lehiben` ny mpanohitra eny anivon` ny Antenimieram-pirenena, mijoro amin` ny maha mpanohitra azy ny antoko Tiako I Madagasikara. Raha tena manana finiavana hanara-dalàna ny mpitondra dia tokony hita soritra ny maha tany demokratika an` I Madagasikara. Raha tian` ny mpitondra fa firenena demokratika, tokony hiady hampijoro ny mpanohitra eny Tsimbazaza izy ireo, mba entina manatsara ny fanaovana politika eto sy mba isian` ny fifandanjan-kery ho fampandrosoana ny firenena.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT