Minisitry ny asa sy asam-panjakana vaovao

“Tsy manana fialan-tsiny amin’ny tsy fanatanterahana ny asa”


  • Alarobia 17 Janoary 2024

Rehefa karama fototra no resahana dia tokony izay ihany satria izany

ihany no natao hiadian-kevitra anaty adihevitra sosialy, hoy ny Randrana sendikaly. Izany fanampin-karama izany dia natao ho vahan’ny orinasa tsirairay avy, hoy ny sekretera jeneralin’izy ireo, Barson Rakotomanga. Misy andraikitra goavana miandry an-dramatoa minisitra. Anaty fotoana fohy dia mila mahita ny Randrana sendikaly hoe vitany ve ireo vary mangatsiaka be dia be izay teboka goavana ho azy raha tafavoakany anaty 6 volana? Tsy manana fialan-tsiny amin’ny tsy fanatanterahana ny asa i ramatoa minisitry ny asa sy asam-panjakana. Niainany tsinona ilay izy ary efa nataony fa tsy vitany tamin’ny fotoam-piasany teo aloha. Eo koa ny sata mifehy ny sosialy na “code de prévoyance social” izay itodihana betsaka indrindra aminy satria mpikamban’ny filankevim-pitantanana ny CNaPs izy. Heverina fa isan’ny tombony na “atout” nahafahan’ny fanjakana nanendry azy ho minisitra izany. Toy izany koa ny fanaovan-tsonia ny fifanarahana iraisampirenena laharana faha 190 mikasika ny ady amin’ny herisetra amin’ny toeram-piasana izay efa lany tany amin’ny filankevitry ny minisitra nandritry ny fotoam-piasana tany aloha. Nanatrika ireny fihaonana iraisampirenena ireny izy. Eo koa ny fifanolanana teo amin’ireo sendika. Ny mikasika ny kamarady Sento. Izy mihitsy no niatrika ny Randrana sendikaly tany Genève ny 9 jona 2023 mikasika io tranga io izay namoahan’ny firenena mikambana fehinkevitra na “résolution” hoe tsy maintsy vahan’ny fanjakana ity olana ity. Nilaza ny hamorona asa sy ny tahaka izany moa taorian’izay ny filoham-pirenena nefa mbola tokony ho antenatenan’ezaka izany fa tsy fohy ezaka. Ireo vary mangatsiaka aloha no tokony enjehina. Zava-dehibe ny fahatsapan’ny fitondram-panjakana fa tsy tena nijery ny sosialy izy ireo tamin’ny fotoam-piasana teo aloha. Na inona zava-misy anefa ka tsy mandeha ny dinika sosialy dia tsy mankany amin’ny fahavitan’ny tontolon’ny asa. Matoky izahay fa hanatsara ny fifandraisana eo amin’ireo 3 tonta dia ny mpiasa sy mpampiasa ary ny fitondram-panjakana ny minisitra ary tokony tsy hanavaka ny sendika fa tokony hisokatra amin’ny rehetra manomboka izao, hoy hatrany ny Randrana sendikaly.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

Hijery ny tohiny
FTT