Politique

Minisitra Rafidimanana Narson Tiany hosoloina PDS i Elysée Ratsiraka


  • Alatsinainy 14 Desambra 2015

Tantara mitohy ny olan’ny Kaominina ambonivohitra Toamasina. Iray volana ngarandina izao nifandramatra ny mpiasa sy ny Ben’ny tanŕna Elysée Ratsiraka taorian’ny vavan’ity farany nilaza fa tsy handoa izay trosa tsy vitan’ny teo alohany, mikasika ny karaman’ireo mpiasa izay mpiasa antselika ny ankamaroany.

 

 Teny izay nahatezitra ny mpiasa, satria karama dimy volana no tsy mbola voaefa tamin’ny nandraisan’i Elysée Ratsiraka ny fitantanana. Nigrevy ny mpiasa, ary tonga amin’ny fifamonoana mihitsy amin’ireo mpitokona an-daniny sy ny mpomba an’i Elysée Ratsiraka an-kilany. Nandamoka avokoa ny fanelanelanana nataon’ireo solontenam-panjakana ao Toamasina mikasika ity raharaha ity. Nailiky ny prefen’i Toamasina any amin’ny Ben’ny tanàna avokoa ny rihitra amin’ny tsy fandraisan’andraikitra manoloana ny herisetra nandratrana mpiasa niseho ny faran’ny herinandro lasa teo iny. Tonga eny anivon’ny governemanta ny raharaha. Re fa mitaky ny hanesorana ny Ben’ny tanàna ka hametrahana Delegasiona manokana hitantana ny tanàna ny minisitry ny indostria sady « coach » ny Faritra Atsinanana, Rafidimanana Narson. Niteraka adihevitra be nandritra ny filankevitry ny minisitra ny tolokeviny, nialoha ny nandavan’ny mpivory azy.

Rabri


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT