Natolotra omaly tao anaty fivoriana nitambarambe teny Tsimbazaza, omaly, ny ambangovangon’ny votoatin’ilay volavolan-dalŕna laharana 040/15 mikasika ny tetibolam-panjakana taona 2016 hodinihan’ireo solombavambahoakan’i Madagasikara miaraka amin’ireo teknisianin’ny minisiteran’ny fitantanam-bola.
Tsy mbola hisy ny adihevitra ifanaovan’ireo tompon’andraiki-panjakana mpanatanteraka sy ireo depiote mpanao lalàna fa fanamarihana ny amin’ny fomba nanoloran’ny minisitra mpisolo toerana, Atoa Paul Rabary azy no betsaka. Voatsindrom-paingotra mafy avy amin’ireo depiote nandray fitenenana ity minisitry ny fanabeazam-pirenena malagasy ity omaly. Voalaza tao ohatra ny hoe : “samy mahay mamaky teny avokoa izahay depiote nomena ny boky misy ny volavolan-dalàna momba ny tetibolam-panjakana 2016 ka tokony ho fanolorana ankapobeny hahazoan’ny Malagasy rehetra no hodinihana ao fa tsy famakian-teny fotsiny tsotra izao no natao fa na mpianatra T 5 aza mba mahay mamaky izany koa. Tsy hitanay taratra ato anatin’ity volavolan-dalàna ity, hoy ny hafa, izay endrikendrika mety hahazoanay depiote tsy manana ny fiara 4 x 4 entina miasa. Sa hafa noho ny teo aloha ny mpamatsy vola misy ankehitriny ? Tsy nanome tsiny loatra an’ity minisitra ity anefa ireo depiote tamin’ny farany na dia hita aza fa tena mpandinika ny maha olona tsy maharesy lahatra ara-pitenenana ny lehilahy saingy niaiky kosa fa minisitry ny fanabeazam-pirenena izay ny manome moto an’ireo sefo Zap manerana ny nosy no hainy. Nahazo tsindrom-paingotra tahaka izany koa ny DG-n’ny “trésor” vaovao vao notendrena amin’ny hoe tsy fisiambola ankehitriny nefa ny taloha nesorina tamin’ny andron’ny tetezamita nahita vola tsy tapaka ka nahoana no nosoloina olona tsy mahay mitady vola ?
Marihana moa fa tsy nanomboka ara-potoana indray toy ny fahita tao ho ao ity fivoriana natao teny Tsimbazaza omaly ity fa mbola nanjaka hatrany ny ora gasy mahazatra teny an-toerana.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.