Politique

Minisitra hanazava vina isan-kerinandro Fampanantenana vaovao tsy tanteraka indray


  • Alakamisy 09 Martsa 2023

Maro ireo fampanantenan’ny filoham-pirenena ankehitriny tsy tanteraka izay efa zary mankaleo na ny mitanisa azy aza ankehitriny.

Isan’ireny ny Fly over, Tanamasoandro, Miami sy ny tariny rehetra, izay sokajiana hoe tetikasa goavana eo amin’ny lafiny fotodrafitrasa izay. Eo amin’ny lafiny serasera sy azo lazaina hoe demokrasia mihitsy koa aza anefa dia misy izay fampanantenana tsy tanteraka izay. Mampametra-panontaniana hoe ilana volabe ve ny manatanteraka azy ireny na tetibola manokana no fampanantenana tahaka izany avy dia tsy vita ny manatanteraka azy ? Nilaza ny filoham-pirenena tamin’ireny fotoana ireny fa hitafa amin’ny mpanao gazety isam-bolana ary hifandimbindimby hanontany azy eo ny mpanao gazety avy amina haino aman-jery rehetra tsy anavahana na inona na inona zotran-dahatsorany. Tsy tanteraka anefa izany hatramin’izao. Io fa fampanantenana vaovao tsy tanteraka hafa indray hatramin’izao koa izany izao ilay hoe minisitra hifandimby hiakatra isan-kerinandro ao amin’ny fahitalavim-pirenena hanazava ny vinany avy.
Légende : Ireo minisitra 8 vaovao niditra ao amin’ny governemanta
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT