Politique

Minisitra Frantsay lasa any amin’ny « Iles éparses » Hanao inona marina ?


  • Talata 10 Novambra 2015

Ao anatin’ny fandaharam-potoan’ny minisitra Frantsay misahana ireo tany ivelan’i Frantsa (outre-mer) Rtoa George Pau Langevin ny 9 ka hatramin’ny 11 novambra ny fitsidihana an’i Mayotte sy ireo nosy aty amin’ny ranomasimbe Indianina dia ny « iles éparses » izay sokajian’ny fitondrana Frantsay ao anatin’ny « terres australes et antarctiques Françaises ».

 

 Fantatra fa hiondrana any amin’ny iray amin’ireo nosy manodidina an’i Madagasikara dia ny iles Glorieuses ity minisitra Frantsay ity anio. Fitsidihana izay toa miendrika fampatsiahivan’ny fanjakana Frantsay ny Malagasy indray fa feheziny ary tsy omeny moramora foana ireo nosy ao anatin’ny « iles éparses » ireo. Ao anatin’ny fotoana mampisy ny fitakiana eto amintsika no mitranga izao fitsidihana izao. Mialoha io dia efa nanatontosa fanadihadiana momba ny fahasahiranana sy ny fahantrana eto Madagsikara ny fahitalavitra Frantsay. Izay ny lafiny ara-politika fa mbola misy ihany ny zavatra manjavozavo manodidina ity resaka ity. Mety mifono hevitra hafa ve izao fitsidihan-dramatoa George Pau Langevin ny « iles éparses » tampotampoka izao ? Ny 12 novambra izao mantsy dia hiatrika ny antenimierandoholona Frantsay ny tenany ka manodidina ny tetibola ampiasain’ireo faritany Frantsay ivelan’i Frantsa amin’ny 2016 no resaka amin’io.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT