Politique

Minisitra Andry Ramaroson Tsy naaro azy ny fisolelahana...


  • Talata 21 Febroary 2023


Tsy voatazona tamin’ny toerany ny Minisitry ny angovo sy ny akoran’afo Andry Ramaroson. Iray amin’ireo Minisitra nosokajian’ny mpanara-baovao ho tompon-dakan’ny fisolelahana sy ny fanaovana serasera ho miasa ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoran’afo Andry Ramaroson. Nisy hatramin’ny hoe: nalaina sary nanao ladina an-tany tany Andekaleka. Fatratra tamin’ny fanamboarana ny antsoina hoe: “image” na ny fomba hanatsarana ny hitarafan’ny olona azy avy aty ivelany, saingy tany amin’ny vokatra sy ny fahombiazana aloha dia tsy tena hita taratra, raha tarafina tamin’ny delestazy mandavan-taona. Na teo aza izany, isan’ireo Minisitra toa tratry ny fibedesan’ny Filoha teny imasam-bahoaka noho ny resaka delestazy lava. Misy mihitsy aza ny olon’ny fitondrana milaza fa isan’ny nampijabaka ny Filoham-pirenena tamin’ilay filazana fa afaka 6 ka hatramin’ny 8 volana dia ho foana ny delestazy, araka ilay fampantenana tany amin’ny janoary 2022 I Andry Ramaroson.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT