Nantsoina haneho ny safidiny amin’izay ho ben’ny tanàna hitondra ny kaominina ny vahoaka.
Manana andraikitra lehibe amin’io ny eo anivon’ny minisiteran’ny atitany sy ny fitsinjaram-pahefana. Mitaky asa goavana indrindra eo anivon’ny faritra sy ny distrika ary ny kaominina izy ireny. Mihazakazaka tokoa ny asa atao eto Madagasikara ka ilaina ny fidinan’ny fanjakana eny ifotony mijery sy manara-maso izay filan’ny mponina eo amin’ny fotodrafitrasa isan-karazany. Ilaina ny fiaraha-miasan’ny olom-panjakana rehetra amin’ireo olom-boafidy na ny olo-boatendry satria sehatra mifampiankina ireo. Mila matotra amin’ny asa atao ny ben’ny tanàna. Ny kaominina dia manana ny fandaharan’asany eo amin’ny fampandrosoana ny tanàna, izany hoe ilaina ny fahaiza-mifampidinika sy mifanakalo hevitra eo amin’ny ambaratongam-pahefana rehetra. Ny minisiteran`ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana ihany koa no tompon’andraikitra amin`ny fanatanterahana io fifidianana tena manakaiky vahoaka io. Fifidianana roa no natrehin` ny firenena nanomboka ny volana oktobra 2018. Tsikaritra fa niha nahalaina ireo mpifidy nandritra ireo latsa-bato. Teo ihany koa ireo lesoka tamin’ny fanomanana ny fifidianana na filoham-pirenena na koa solombavambahoaka. Nisy hatrany ireo fanitsakitsahana ny lalàna tamin’ny fampielezan-kevitra nifanesy. Tsy fahombiazana no azo amehezana an’ireny. Nilamina izy ireny ho an’ny vahiny rehefa tsy nohobiana ny mpandresy ary tsy nakoraina ny resy. Nikipiana maso ny tsy fahatomombanana rehetra. Mila fandraisana andraikitra goavana.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.