Mily depioten’i Faratsiho

« Tsy mpifahavalo izahay fa mpifaninana, ny fahantrana no fahavalo »


  • Zoma 28 Jona 2024

Omaly vao afaka nisioka ny kandida Ramilison Nomenjanahary izay naneho naneho fisaorana ny vahoakan’i Faratsiho na ny nifidy na ny tsy nifidy azy.

Teo anatrehan’ny fisiana fanafoanana ampaham-bato 142 tamin’ny 2351 dia nilaza ity kandida ity, fa lojika ireny satria nisy nitory ka mba mety ho fanomezana fahafaham-po azy amin’ny zavatra kely. Fifidianana no natao, ary napetraka tamin’ny fahendren’ny vahoakan’i Faratsiho, ary tena fandresen’ny vahoakan’i Faratsiho iny hoe : ny vokatry ny tany no miaka-dapa, ka lojika raha nametraka ny fahatokisana ny vahoaka. Nomarihin’ity kandida ity noho izany, fa tsy mpifahavalo ny tenany sy Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy, fa mpifaninana, ary ny fahantrana no fahavalo. Manomboka eto dia hivadika any amin’ny asa hanavotra firenena satria izay izao no zava-dehibe amin’ny asa maha depiote. Andaniny, nilaza Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy tao amin’ny pejin-tseraserany, fa izay izany no voka-pifidianana navoakan’ny HCC, isaorana azy. « Miarahaba ny solombavambahoakan’i Faratsiho vaovao Ramilison Nomenjanahary. Mirary azy tena hiasa ho an’ny vahoaka. Mankasitraka foana ny vahoakan’i Faratsiho, ary mankahery an’ireo ekipa rehetra tsy ankanavaka. Aza manahy fa tsy hahasakana antsika tsy hanohy ny asa natomboka rehetra izany ary tsy mahasakana antsika tsy hanohy ny asa ho an’ny distrikan’i Faratsiho mamintsika loatra. », hoy ity kandida ity. Somary mbola narahana tsindro-paingotra sy endrika tsy fahafaham-po sy fanehoana fa manaiky tsy fidiny na izany aza hoe : « Niady ho an’ny marina isika, nijoro tamin’ny rariny hatramin’ny farany, ary matoa nisy birao fandatsaham-bato nofoanana ny vaton’ny mpifanandrina dia nisy tokoa tsy fanarahan-dalàna tao kanefa natao nandresy ihany moa izy ka dia izay izany no hitan’ny Fitsarana avo momba ny lalampanorenana fa mety. Dia manaiky isika. ». Nikatona aloha izany ny tantaran’ny fifanolanana ara-pifidianana tao Faratsiho.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT