Milaza ho samy mandresy, samy hanao fety

Mitohy ny fifanandrinan’ny TIM sy ny TGV


  • Alakamisy 19 Desambra 2024

Miantso ny mpomba an’i Tojo Ravalomanana mba hanao fety fa aminay dia efa mandresy

amin’ny isa mavesatra ny kandidanay hoy i Edoaurd Tsarahame, avy ao amin’ny RMDM omaly. Mandresy izahay no fantatray fa ny ankoatran’izay raha sanatria misy zavatra hafahafa, dia anareo fa tsy anay, hoy ity pastera mpanao politika ity. Iay iray alehany hoy izy na ilay rafitra nikarakara ny fifidianana dia ny CENI no tsy ara-dalàna,na ilay kandida nakana hosoka no handraisan’ny CENI fepetra fa ny fantatray aloha dia mandresy i Tojo, hoy izy.
Asa zay hiafaran’ity resaka ity fa samy milaza azy ho mandresy izany hatreto aloha ny TIM sy ny IRMA tamin’ny fifidianana ben’ny tanàna notanterahana farany teo iny. Efa samy any amin’ny fety sy ny arôzazy ny sain’ireo mpomba ny roa tonta, ny an’ny CENI raha ny vokatra vonjimaika dia ny kandidan’ny IRMAR , kandidam-panjakana no mitarika. Fanontaniana manitikitika ny mpanara-baovao politika ny hoe : hamoaka ilay voka-pifidianana vonjimaika ny CENI ny 24 desambra,izany hoe iray andro mialohan’ny Noely. Inona no hitranga izany raha maharesy ny kandida laharana faha 4 ? Inona no hiseho raha maharesy ny kandida laharana faha 7 ? Hisy hitarika vahoaka hidina an-dalambe hofiarovana ny safidy ve sa hijanona amin’ny resaka fanambarana alefa any anaty filazam-baovao dia lazaina avy eo hoe aleo aloha somar tony kely ny politika fa mila miatrika fety ny vahoaka ? Tamin’ity herindro ity moa dia efa nanambara ny governoran’Analamanga izay mitarika ny antoko TGV fa i Harilala Ramanantsoa no nahazo ny vato be indrindra, ary laharana faharoa i Tojo Ravalomanana. Omaly alarobia nisintona lakolosy indray ny RMDM fa hoe efa hanao fety fa ny kandida Tojo no maharesy ; ny dikan’izany raha itarina kely dia mbola hitohy hatrany izany ny fifanandrinana eto amin’ireo hery politika roa ireto, izay efa nanomboka ny taona 2007, 2008, 2009…Tsy takon’afenina fa niha sahirana ny firenena, niha mafy ny fiainana noho izany.
RTT


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT